Araka ny fehin-kevitry ny Groupe International de Contact nandritra ny fihaonana faha-5 momba ny raharahan’i Madagasikara tany Addis Abeba farany teo, dia tapitra ny 16 martsa 2010 teo, tamin’ny misasakalina ny famindram-po nomen’ny Vondrona afrikanina sy ny filankevi-pilaminana ao aminy na ny CPS ny Malagasy hampiharana ireo fifanarahana efa nataon’ireo lehibena ankolafy dia ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba.
Dila moa io fe-potoana io dia nihatra ny sazy. Araka ny vaovao àry dia mbola an-dalam-pandinihana ny raharaha Madagasikara ry zareo avy amin’ny filankevitra misahana ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny vondrona afrikanina hatry ny omaly sy amin’ity anio ity. Raha ny fantatra aloha hatreto dia olona 109 no voalaza fa hiharan’ny sazy. Ny tsy fampiharana ireo drafitra fivoahana amin’ny krizy izay efa nifanarahan’ireo lehibena ankolafy efatra dia Andry Rajoelina, Ravalomanana Marc, Ratsiraka Didier ary Zafy Albert no antony hanasaziana ireo olona 109 ireo. Ao anatin’ireo olona voasazy ireo i Andry Rajoelina sy ireo mpiray ombon’antoka akaiky aminy, hoy ny kaomisera misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny vondrona Afrikanina, Ramtane Lamamra nanamafy. Tsy fahafaha-mivoaka an’i Madagasikara, ny fanagiazana ireo kaonty any ivelany, ny tsy fahazoana ‘accréditation’ ahafahana manatrika fivoriana iraisam-pirenena, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity no sazy mihatra amin’izy ireo. I Mauritanie, Guinéee, Niger, ary Madagasikara moa dia anisan’ireo firenena nisehoana fanonganam-panjakana ary dia naaton’ny Vondrona Afrikanina tsy ho mpikambana ao aminy aloha. Andrasana anio ny fehin-kevitra farany momba izay heverin’ny Vondrona Afrikanina sy ny CPS fa sahaza an’i Madagasikara taorian’ny fanovam-pitondrana tsy ara-dalàna niseho teto amintsika, herintaona katroka lasa izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.