Fandrebirebena sy familiviliana saim-bahoaka mba hamotehana ny mpanohitra io raharaha io, ary hanadalana saim-bahoaka tsy hitodika amin’ireo raharaha hafa nanaratsy endrika ny fitondrana HVM,
toy ny nandoroan’ny polisy ny tanànan’Antsakabary, famoretana mpanao gazety sy mpitarika sendika maro, ny raharaha boaderozy.... Heverina fa ny SAMIFIN, BIANCO sy ny minisiteran’ny fitsarana dia ezahin’ny HVM fehezina tanteraka, ary tiany haseho fa voabaikony, ka jonoina ny SMM (Sendikan’ny mpitsara) sy ny firaisamonim-pirenena mba hanohana ny BIANCO hanopazan’ny vahiny maso sy hiheverany hoe tsy voabaikon’ny fanjakana ny BIANCO fa tena miasa. Nilaza mivantana sy ankolaka rahateo ny mpamatsy vola fa raha tsy misy voasazy na gadraina ireo mpanao kolikoly eto, indrindra ireo manodidina ny filoha sy ny praiminisitra dia tsy hivoaka ny vola, ka tsy maintsy nosamborina i Claudine Razaimamonjy ary naseho eran’ny nosy sy izao tontolo izao, indrindra ny mpamatsy vola sy ny vahoaka tsy mahalala ny zava-marina any amin’ny faritra rehetra any hoe : tena miady amin’ny kolikoly ny fitondram-panjakana, ka mba ampio sy fidio indray amin’ny 2018. Ny fiheverana tian’ny HVM haseho, dia hoe efa mizaka ny saziny i Claudine, izay nampandosirina noho izy efa naman’ny manao sesitany ny tenany. Tsy vahaolana ho an’ny firenena intsony ny mpitondra ankehitriny na inona na inona sarimihetsika sy fanadiovan-tena hatao eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.