Politique

Nijabaka indray raprezy


  • Alakamisy 16 Febroary 2017

Vaovao nanaitra omaly ny nahafantarana fa nahazo ny fanamian’ny FC Barcelone na ny Barça ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina.

Itony atao hoe “maillot personnalisé” itony izany hoe komandy manokana natao ho azy io azon’ingahy filoha io ary efa misy ny sonian’ireo mpilalao rehetra ao amin’ny Barça. Tompon’andraikitra avy amina orinasa fanaovan-gazety nanao fanadihadiana teto Madagasikara no nanolotra ity fanomezana hafakely ity. Rehefa tafaresaka mantsy, efatra herinandro lasa izay, ny filoha Rajaonarimampianina sy Miriam Llorca talen’ny fikarohana eo anivon’ny Prisma Reports FP, izay teratany Espaniola dia manga ery ny tafa satria samy mpankafy ny FC Barcelone. Koa dia izao nivadika ho fanomezana atao fahatsiarovana izao ilay izy. Ny nanaitra sady somary mahagaga ao anatin’ity resaka ity dia nifanandrify indrindra tamin’ny faharesena tsy roa aman-tany 4 – 0 azon’ny Barça manoloana ny PSG izao fanomezana izao. Fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ve sa fanahy niniana natao mba hanomezana sary sakaizan’ny resy an’i Hery Rajaonarimampianina mihitsy ? Ary ny mahagaga sy mahatalanjona dia dedaka nanaparitaka ity vaovao hafakely ity ny avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika omaly, izany hoe ny ampitson’ilay faharesen’ny Barça. Raha hanao serasera aloha no tanjona dia diso paika tanteraka, sa ve dia efa an-kanipy hoditr’akondro koa ny ao an-dapa ao e ? Omaly hariva ihany moa dia nahazo anaram-bositra vaovao indray ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka nataon’ny mpanara-baovao hoe : « Sakaizan’ny resy ».


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT