Hihamafy kokoa ny hetsika. Manomboka anio alarobia dia hikatona avokoa ireo distrika 119 sy ny boriborintany 1.400 mahery ary ireo ivotoerana mpizara laharana fiara enina manerana ny nosy raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny fanjakana foibe momba ny fangatahan’ireo Administratera sivily.
Ny prefen’ny polisy eto Antananarivo renivohitra, Andrianjafiniavo Lahinirina Edward, no nanao izay fanambarana izay omaly maraina tetsy an-tokotanin’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany nandritra ny fivorian’izy ireo niaraka tamin’ireo mpiasan’ity departemanta ity. Anton’ny fitokonana ny fitsipahana ny fametrahana olon-kafa ivelan’ny Administratera sivily hitantana ny minisiteran’ny atitany. Karazana “karatra mena” ho an’ny FAT no nitranga ankehitriny.
«Tsy mila miaramila na zandary hitantana ity minisitera ity isika ary tsy mitady toerana any amin’ny minisitera hafa. Antsika ity minisitera ity ka aoka hajaina izany amin’ny fanomezana ny toerana ny Administratera sivily», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany Rasolonjatovo Georges tamin’ireo mpiasa. Nanamafy koa ny filoha lefitry ny sendikan’ireo Administratera sivily, Ramilison Serge fa rariny raha omena ny toerany amin’izay izy ireo. «Taloha, tamin’ny taona 1996 dia nekena ny fitantanan’olon-kafa ity minisitera ity satria 100 mahery monja ny isan’ny Administratera sivily tamin’izany saingy ankehitriny dia efa mahatratra 500 izahay ary misy aza no Administratera sivily “en chef”». Nanolotra anaran’olona iray any amin’i Camille Vital izy ireo, hitana izany toerana izany. “Raha tsy mety amin’izy ireo io olona io dia manolotra anarana hafa indray izahay”, hoy ny mpitarika.
Mangataka ny famerenana ny hasin’ny minisiteran’ny atitany koa ireto Administratera sivily ireto. Nambaran’ireo mpandaha-teny fa tsy misy intsony ny maha minisiteran’ny fiandrianampirenena ny minisiteran’ny atitany rehefa notsoahana taminy ary nanome departemanta mahaleotena ny fanapariaham-pahefana sy ny filaminana anatiny ary nomena hiandraiketan’ny CENI koa ny fikarakarana ny fifidianana. Eo anatrehan’izany dia mandrahona ny tsy hiara-hiasa amin’ny CENI ireo mpiasan’ny minisitera raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny rehetra. Hifanome fotoana anio maraina eo anoloan’ny vavahadin’ny minisitera indray izy ireo ka ho hita eo ny tohiny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.