Politique

Nifandona ny ankolafy 3 sy ny Emmo Reg 6 voasambotra, fiara 2 may kila


  • Alakamisy 11 Novambra 2010

Tamin’ny 1 ora atoandro mahery kely teo no nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany nanaparitahana ireo olon’ny ankolafy telo nivory manoloana ny kianjan’i Malacam.

Tsy vitan’izay fa sady nanenjika no nisambotra ireo mpitandro ny filaminana, ka vehivavy roa no tratra voalohany tamin’izany, ary niampy olona efatra hafa indray ireo taty aoriana; nambara moa fa nanompa mpitandro ny filaminana am-perinasa sy niantsy ady izy ireo. Nisavorovoro avy hatrany ny teny Antanimena sy Soarano taorian’izay ary raikitra ny fifanenjehana, niitatra taty Ankadifotsy sy Behoririka izany. Mitsoaka miditra any an’elakelan-trano ireo olona izay noenjehan’ny Emmo reg ary dia mivoaka indray refaveo; hita ho sempotra sy sahirana ihany arak’izany ireo mpitandro filaminana satria niova fa tsy tahaka ny nisy hatramin’izay ny fihetsiky ny mpomba ny ankolafy telo. Nifangaro tamin’ny setroky ny lakrimôzenina nony taty amin’ny 3 ora tolakandro taty io omaly io , ny setroky ny fiara nirehitra , ka voalohany tamin’izany ny fiara Renault Kangoo, teny Antanimena, niredareda ihany koa ny fiara Mazda iray teo Behoririka manoloana ny toby fivarotan-tsolika Shell, nisy fahasimbanaihany koa ny zaridaina teny Antanimena ary nisy nadoro ilay trano fipetrahan’ny mpiambina azy.

Nametraka sakana tamin’ny arabe ihany koa ireo andian’olona mba hananosarotra ny fanenjehan’ny Emmo reg azy ireo; nikatona tanteraka noho izany ny lalana teny Antanimena, Soarano, Behoririka ary ny ampahan-dalana teny Ankadifotsy. Nikatona tanteraka ihany koa ireo toby fivarotan-tsolika tamin’ireo faritra ireo ary nohamafisina ny fiambenana . Nisy mantsy ny andian’olona efa nanomboka nitora-bato ny toby iray teny Ankadifotsy teny. Tsikaritra ho nanidy varavarana ihany koa ireo mpivarotra rehetra teny amin’ny manodidina ireo savorovoro ireo . Ankoatr’ireo dia potika sy levon’ny afo ihany koa ireo takelaka fametrahana afisy amin’ny fampielezan-kevitra, ary nataon’ny olona sakana teny amin’ny arabe ihany koa izany. Fehiny dia nisavorovoro ny teto an-drenivohitra omaly tolakandro ary niverina tampoka tao an-tsain’ny olona ny zava-nitranga tamin’ny 26 janoary 2009 na dia mbola maivana ihany aza ny nitranga omaly.

Anisan’ny horakoraky ny olona moa ny hoe Malacam, Malacam ! izany hoe mitaky ny hanatanterahana ny hetsika tao amin’ny Malacam ireo olon’ny ankolafy telo. Na izany aza anefa dia tsikaritra ihany fa nisy ny andian-jatovo nanararaotra ihany tamin’iny tranga omaly iny ka tsy nisalasala nanapotika fananan’olona sy fananam-bahoaka. Tany amin’ny 6 ora hariva tany moa vao nanomboka nilamina ny toe-draharaha ary niverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fifamoivoizana na dia mbola teo ihany aza ny sakana ,izay noesorian’ny Emmo reg tsimoramora. Mitovy tanteraka tamin’ny nambaran’ireo mpitarika teny Ivandry ny nambaran’ireo mpitolona mafana fo avy ao amin’ny ankolafy telo fa mitohy ny tolona ary tsy maintsy tafiditra ao amin’ny Malacam na eny Ambohijtaovo izy ireo, na dia efa mazava ihany koa aza ny nambaran’ny avy amin’ny ministeran’ny atitany ary mbola nohamafisin’ny kolonely Ravalomanana Richard omaly hariva, fa tsy azo atao ny famoriam-bahoaka ivelan’ny fampielezan-kevitra, ary tompon’andraikitra feno amin’ny mety ho fihoaram-pefy ireo mpitarika.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT