Politique

Nicolas Sarkozy «Manohana ny fikarohana vahaolana maharitra i Frantsa»


  • Talata 29 Jona 2010


Anisan’ireo filoham-pirenena nandefa taratasy ho an’i Andry Rajoelina ho fiarahabana ny vahoaka Malagasy noho ny nahatratrarany ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy. Voalaza ao anatin’izany taratasy izany ary fa vonona hatrany ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikarohana vahaolana maharitra amin’ny krizy eto Madagasikara i Frantsa. Ka ho fanatanterahana izany dia hanohana ireo fihaonana sy fanelanelanana hikaroham-bahaolana rehetra ry zareo Frantsay, na ny avy amin’ny hevitra miainga eto an-toerana izany na ny avy any ivelany.

Tahaka ireo firenena rehetra manaja sy mandala ny demokrasia dia mitaky hatrany ny hisian’ny fifampidinihana eo amin’ny ankolafy politika rehetra, araka io taratasin’ny filoha Sarkozy io ny fanjakana Frantsay na dia tsy miteny mivantana izany aza. Efa mazava hatry ny ela mantsy fa tsy hilamina ny firenena raha vahaolana maimaika sy tsy neken’ny maro an’isa no ampiharina, indrindra fa eo amin’ny famolavolana ny lalàmpanorenana izay lalàna fototra hitantanana ny firenena. Toa milaza koa izany rehetra izany fa mankasitraka ary tsy mitsivalana amin’ny fanelanelanana ataon’ny Vondrona Afrikanina sy ny GIC aloha hatreto i Frantsa. Ka raha mbola hitarina ihany ny resaka dia efa mitaky an-kolaka ny hanatanterahana ny fihaonana eo amin’ireo filohan’ny ankolafy efatra ho fanohizana ny dinika tany Pretoria izany ny Frantsay. Azo antoka ihany koa anefa, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy fa efa mikaroka hevitra sy lalana hafa ny diplaomasia Frantsay hamahana ity krizy eto amintsika ity. Mazava ho azy fa vahaolana afaka harovany ny tombontsoany eto Madagasikara no hokarohan’ny Frantsay sy izay miara-miasa aminy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT