Rehefa manomboka mihena ny herin’i Andry Rajoelina dia antsoina hiteny iny mpisolovava vahiny iny, hoy i Naika Eliane.
“Tena mety aminay fa tongava hanao io anketin’ny 7 febroary 2009 io ary ampiana ny 26 janoary 2009 koa”, hoy ity zanak’i Menabe mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Efa im-betsaka ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, no nangataka fanadihadiana manokana, tsy miankina iraisam-pirenena hatramin’ny febroary 2009. “Tsy matahotra izahay fa tongava. Maro ny porofo eo ampelatananay, napetraka amina toerana azo antoka any ampitan-dranomasina. Vonona izahay, vonona ny filoha hiatrika ny fanadihadiana”, hoy i Naika Eliane. Ho porofoinay fa ry Andry Rajoelina sy ny tariny no nikononkonona fa tsy maintsy asiana ra latsaka vao hampiongana an-dRavalomanana teo amin’ny fitondrana.
Betsaka moa ireo anarana notononin’ity mpikambana eo anivon’ny CST ity amin’izany. Ahoana moa, hoy i Naika Eliane nametra-panontaniana, no lazaina fa ny mpiambina ny lapa no nitifitra kanefa ny lapa aza misy diam-bala ? Mazava ny fiaikena heloka nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina, hoy ihany i Naika Eliane. “Ndao hatao ny ankety, iza marina no tompon’andraikitra tamin’iny 7 febroary 2009 iny sy tamin’ny 26 janoary 2009 saingy tsy maintsy manatrika izany ankety izany eto ny filoha Marc Ravalomanana, hiaro ny tenany. Aty no atao izay ankety izay”, hoy ihany i Naika Elaine. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny momba ny hoe tsy matoky ny filoha Ravalomanana i Andry Rajoelina ka izay no tsy hamelany ny filoha hody eto. Ravalomanana no tsy atokisany sa ny vahoaka Malagasy, hoy izy nametra-panontaniana.
“Avelao izy hiditra eto dia ho hita eo iza no tian’ny vahoaka ?”, hoy i Naika Eliane. “Takianay ny hodiany tsy misy fepetra ka raha matoky tena dia tsy tokony sakanana izy”, hoy ity farany. Momba an’i Lafrantsa sy Andry Rajoelina indray dia nambaran’i Niaka Eliane fa ny filoha frantsay François Hollande no efa niteny fa efa vita ny Frantsafrika. Ka raha hiaro mpanongam-panjakana ny Frantsay dia ho sarotra, satria misy lalàna tokony hampiharina aminy. Isan’izany ny sata afrikana, milaza fa ny mpanongam-panjakana dia tsy mahazo mitantana na milatsaka amina fifidianana na inona na inona. Tokony hampiharin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izany fa tsy sanatria ho ohatra ratsy ho an’izao tontolo izao i Madagasikara.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.