Politique

Nhiry Lanto Andriamahazo Tsy ny Amerikanina no mibaiko antsika !


  • Alatsinainy 31 Mey 2010


Tsy voatery hiandry ny faneken’ny Amerikanina tsy akory vao hanaiky ny fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitry ny rano Nhiry Lanto Andriamahazo tao amin’ny TVM ny faran’ny herinandro teo. Tsy ny Amerikana rahateo no mibaiko antsika, araka ny filazany ihany. Araka ny nambarany dia efa nanaiky izao fitondrana tetezamita izao ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa aminy ny Frantsay izay anisan’ireo firenena 8 matanjaka sy manankarena indrindra eto ambonin’ny tany ary manana ny toerany tsy azo tsinontsinoavina eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho avy tsimoramora eo ireo firenena hafa, hiara-dia an’i Frantsa amin’ny fanekena ny fitondrana tetezamita, araka ny heviny. Eo amin’ny famahana ny krizy indray, dia tsotra ny hevitry ny minisitry ny rano, arahana an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana nambaran’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina. Tsy misy ilana ny fandehanana any Pretoria izany intsony, hoy izy fa dia eto Madagasikara ihany no vahaolana ary efa mizotra amin’izany isika izao ka tsy tokony hisy hampanahy ny vahoaka intsony.

Ratah
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT