Politique

Nestor Razafindramanitra “Tsy mbola nampiantso anay mihitsy ny CNOSC”


  • Alarobia 10 Novambra 2010

Araka ny nambaran’ny pastera Nestor Razafindramanitra avy amin’ny vondron’olom-pirenena Finona izay nikarakara ny fihaonambem-pirenena tamin’ny mpanao gazety dia tsy mbola nisy mihitsy fampiantsoana nataon’ny CNOSC tamin’izy ireo momba ny asa fanelanelanana mety ho atao indray eo amin’ireo ankolafy politika isan-karazany .

Ary raha araka ny filazany ihany dia tsy mitovy mihitsy ny tadin-dokanga eo amin’izy ireo sy ny CNOSC momba ny famahana ny krizy, nohamafisin’i Nestor Razafindramanitra mantsy fa ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no vahaolana ary dia mankato ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra ny ray aman-dreny mijoro sy ny Finona. Ny CNOSC kosa anefa dia milaza fa maimaika io tetiandro napetraka io ary tokony mbola averina dinihana tsara ny zava-drehetra, ary na ny hevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena aza dia tsy maharesy lahatra firy azy ireo.

Tsara marihana anefa hoy ny pastera Nestor Razafindramanitra fa niara-nanapaka ny daty hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena izahay sy ny CNOSC, saingy tsy hita popoka izy ireo rehefa hoe hampihatra izay zavatra tapaka tao. Midika izany rehetra izany tsy mora ny fanohizana ny asa fanelanelanana eo amin’ny samy malagasy, satria na ireo mpanelanelana aza tsy mbola mifanara-tsaina tsara akory, ka ahoana moa no hahafahan’izy ireo maka sy mandravona ny hevitr’ireo ankolafy politika mifanandrina ka mahatonga ny krizy hitarazoka. Azo antoka avy amin’izao tranga izao ihany koa fa raha tany ty ka mandeha irery amin’ny fampifanatonana ireo ankolafy politika ny CNOSC dia ho avy ny fanakianana mavaivay avy amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy koa dia tsy hisy raharaha ho vanona eto. Mila mifanaraka tsara izany aloha ireo mpanelanelana izay vao tanterahana ny fampihaonana ireo mpifanandrina politika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT