Efa tomombana 90% ny fanomanana ny Comesa ary 60 ka hatramin’ny 70% ny frankofonia, hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany, Narson Rafidimanana, omaly, tetsy Antaninarenina.
Azoko entina mitety ny zava-bitan’ity fitondrana ity ianareo, hoy ny tenany, nanoloana ireo fanontaniana mikasika ny tsikera mahazo ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao. Mikasika ny resaka olan’ny fananan-tany eny Andohatapenaka izay voalaza fa nomena ny orinasa Total sy ny eny Laniera hoe nomena ny karàna moa dia valin-teny tsy feno koa no nomeny. Fananan’ny fanjakana ny tany eny Andohatapenaka hoy izy , nolazainy koa fa tsy nisy tany nomena ny vahiny izany fa mila mifampiresaka isika ary vonona hihaino ny fitondrana. Mikasika ny vaovao momba ny olana mitranga eny amin’ny rovan’Ilafy indray dia nambarany fa tsy mbola maharaka tsara io izy satria tsy teto an-toerana ; anio kosa ny tenany dia hijery izay zava-misy marina eny.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.