Politique

Nampiaka-peo ireo CT Famelan-keloka aloha vao fifidianana !


  • Alakamisy 28 Jolay 2011

Hita mivandravandra omaly ny hatezeran’ny mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita mahakasika ilay fivoriana tsy ara-potoana izay mandeha eny Tsimbazaza amin’izao fotoana

 Nampiaka-peo ireo CT maro fa mila dinihina mialoha ny momba ny famelan-keloka ary tena maika. Toraka izany ihany koa ny lalàna momba ny antoko politika sy ny sata mifehy ny mpanohitra, ny fametrahana komity momba ny fampihavanam-pirenena ary ny fametrahana komisiona manokana misahana ny fanadihadiana ny hazo sarobidy. Ireo rehetra ireo anefa dia tsy tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fivoriambe tsy ara-potoana izay mandeha eo anivon’ny CT sy ny CST amin’izao fotoana. Omaly ihany dia niainga ny fanangonana sonia teo anivon’ny CT mba hanaovana fandaharam-potoana hafa momba ireo lohahevitra voalaza etsy ambony ireo. Raha mahatratra CT roa amin’ny telo ny manasonia io taratasy io dia afaka mahazo alalana ny CT ny hanao fivoariana tsy ara-potoana mahakasika ireo lohahevitra ireo. Fa ny omaly aloha dia ny minisitra iray izay tao an-toerana no niangonan’ny rihitra, ingahy Yves Aimé. Izy no nifafy ny hatezeran’ireo mpikamban’ny Kongresy marobe. Niakatra ny feo tetsy sy teroa. Anio dia mbola fandaharam-potoana tsy dia andrasan’ny CT hatrany no hodinihina dia ny lalàna mifanandrify amin’ny fifidianana sy ny fametrahana ny Repoblika fahefatra. Mitovitovy amin’izany hatrany ny amin’ny CST. Handrasana ny mety ho valin’ny fanangonan-tsonia izay efa mandeha.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT