Politique

Nampandosirina i Claudine Razaimamonjy Minisitra 2 no tompon’antoka


  • Talata 11 Aprily 2017

Tsy eto Madagasikara intsony i Claudine Razaimamonjy voarohirohy tamina resaka kolikoly avo lenta.

Omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany no voalaza fa niala tao amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha ity vehivavy malazan’ny taona 2016-2017 tamin’ny resaka kolikoly sy fanodinkodinana volam-panjakana ity. Raha ny resaka nandeha omaly, ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza sy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Mamy Lalatiana Andriamanarivo no niara-tonga teny amin’ny CHU-JRA niaraka tamin’ny mpiasan’ny fandraharahan’ny fonja namoaka an’ity vehivavy ity teny an-toerana. Avy hatrany dia nihazo ny seranam-piaramanidina Ivato izy sy ny olona miisa 4, dia ny loholona Riana Andriamandavy VII, ny rahavaviny, dokotera iray antsoina hoe R.A, ary vehivavy iray mpiasan’ny fandraharahan’ny fonja. Tamin’ny 5ora sy 40 minitra kosa no voalaza fa nanainga ny fiaramanidina nitondra azy ireo, izay an’ny Kaompania tsy miankina MTA (Madagascar Trans Air), ary nihazo ny nosy Maorisy. Manana trano any an-toerana rahateo ity mpandraharaha mpanefoefo ity, raha ny fikaroham-baovao natao. Nambara ho tsy voatsabo eto an-tanindrazana ny aretina mahazo azy noho ny fiakaran’ny tosidra, ka tsy maintsy nalefa any ivelany, ary izany “Angiographie célébrale” izany no hatao aminy. Marihina anefa fa misy hopitaly afaka manatanteraka izany eto amintsika, dia ny Polyclinique Ilafy, saingy mety ho tsy mahatoky ity hopitaly ity ireo manodidina an’i Claudine Razaimamonjy noho ny tsy fifankahazoana eo amin’ny tompon’io hopitaly io sy ny HVM.

 

HO RAHARAHA NY FIVERENANY

Mpitsabo avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka no voalaza fa nanasonia ny taratasy fahafahana mitsabo tena mankany ivelany, izay azo adika fa nisy ny tsikombakomba avy amin’ny minisitra, anisan’ny tonga tao amin’ny CHU-JRA nanafaka ity vehivavy ity. Ny fivoahana aloha vita ihany fa ny fidiran’ity vehivavy henjehin’ny lalàna noho ny resaka kolikoly ity no tsy ho hay izay fisehony. Maro no mihevitra fa mety efa fampandosirana azy tsy hizaka ny sazy miandry azy izao fivoahana any Maorisy izao. Samy miandry ny ho tohin’ny tantara ny rehetra e !

 

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT