Politique

Naivo Raholdina “Tsy misy krizy politika izany intsony eto !”


  • Alarobia 27 Jolay 2011

«Mahavaha olana ny fanaovana fifidianana ifotony miainga amin’ny Kaominaly», hoy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita, Naivonantsoina Raholdina.

 Io no vahaolana akaiky indrindra ny vahoaka. Ankasitrahanay FAFI ny handefasana mialoha ny fifidianana mifanaraka amin’izany. Avy amin’io koa avy eo no tokony handinihana ny fifidianana na fanendrena ny mpitantana eny anivon’ny Fokontany manerana ny Nosy. Ankasitrahanay koa ny votoatin’ny dinika hatao amin’izao fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta roa tonta izao, hoy izy. Tsara ho fantatra fa tokony ho tamin’ny 20 desambra 2010 no nanaovana ny fifidianana Kaominaly nefa voatery nahemotra, hoy izy. Efa voafaritry ny fihaonambem-pirenena natao teny Ivato koa ny hanatanterahana azy io mialoha mba tsy hiverimberenan’ny olana foana eto amintsika mahakasika ity fifidianana ity.

Tsy misy krizy politika izany intsony eto amintsika fa efa milamina, hoy ity CST ity. Aminy dia krizy ara-pankatoavana iraisam-pirenena no eto izao. Roa no famahana ny olana natolony amin’izany dia ny fametrahana ny rafitra rehetra voalazan’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ary ny fanatanterahana ny voalazan’ny tondrozotra nasiam-panitsiana. Na misy anefa na tsia ny tondrozotra, araka ny nambaran’ity CST ity ihany, ny raharaham-pirenena tsy maintsy mandeha.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT