Politique

Naika Eliane Tokony hametra-pialana i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 04 Febroary 2013

“Fifidianana solombavambahoaka ny 8 mey, ny ho Ben’ny tanàna ny 3 jolay ary any ho any koa ny fifidianana izay ho filoham-pirenena”.

 Io, araka ny fanazavan’i Naika Eliane no ampahany amin’ny tetiandro metimety amin’i Andry Rajoelina ka nentiny any New York. Nambaran’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa mety hisy ihany izay fiovan’ny tetiandrom-pifidianana izay raha toa ka tsy mbola tonga eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. “Matoky aho fa tsy hisy ny fifidianana raha tsy tonga eto ny filoha”, hoy i Naika Eliane. Ity farany izay nanamafy fa tsy mihevitra izay fifidianana ny ankolafy Ravalomanana raha tsy ny filoha no manapaka momba izany. Ankoatra izay dia nanao valin-kafatra ho an’ny filohan’ny CMDN, ny jeneraly Ranto Rabarisoa izay nilaza fa hisy korontana eto raha tonga eto ny filoha Marc Ravalomanana, ny tenany. “Faly ny Malagasy fa tonga ny filoham-pireneny, ka iza no hiteraka korontana ?”, hoy i Naika Eliane nametraka fanontaniana. “Rehefa tsy mahavita ianareo dia mametraha fialana.

Maro ny miaramila milaza efa vonona handray ny toeranareo, vonona handamina ka hanao ny asa ao anatin’ny ara-dalàna”, hoy ihany ity loholon’i Menabe teo aloha ity. Nohamafisiny ny voalazan’ny andininy faha-15 ao amin’ny sori-dalana izay milaza fa tsy tokony hitanila ny fitondrana sy ny mpitondra tetezamita. Noho izany, hoy i Naika Eliane, rehefa hanana kandida i Andry Rajoelina, araka izay takian’ireo mpiara-dia aminy dia tokony hametra-pialana, satria io andininy faha-15 io dia milaza fa tsy mahazo manohana kandida na hilatsaka ny mpitondra tetezamita. Momba ny tenin’ny masoivoho frantsay milaza fa misy olona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tsy manaiky ny hiverenan’ny filoha an-tanindrazana dia miantso an’i François Goldblatt hanambara ampahibemaso izany anarana izany i Naika Eliane, raha tsy izay dia sokajiana ho lainga sy fanakorontanana iny tenin’ny ambasadaoro frantsay iny, hoy izy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT