Politique

Naika Eliane «Omenay ny amnistia saingy tsy maintsy tsaraina ireo»


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Misy ny sata afrikana momba ny demokraisa, ny fifidianana ary ny fitantanana. Io sata io no mifehy ny firenena afrikana rehetra, ka isan’izany I Madagasikara.

 Raha io sata io no jerena ao aminn’y andininy faha-23 dia mazava, hoy ny loholona Naika Eliane fa misy ny sazy miandry izay rehetra manongam-panjakana. Noho izany dia efa “voampanga eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ry Andry Rajoleina”, hoy izy (condamnés d’office internationalement). Manoloana ny filazan’ny mpanolon-tsain’i Andry Rajoelina eo amin’ny resaka lalana, nilazany fa fanadiovana an-dRavalomanana no nilazan’ny Sadec fa mila amnistia koa Rajoelina sy ny ampahany amin’ireo miaramila no nitondran’ny senatera Naika Eliane izay fanazavana izay tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny asabotsy lasa teo. Voasazy daholo izay nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana, hoy ihany Naika Eliane, ao anatin’izany ny miaramila, satria filoha faratampon’ny foloalindahy I Marc Ravalomanana ary filoham-pirenbena lanim-bahoaka kanefa tsy nanaraka nyteniny ireo miaramila. Tsy mahazo mandray anjara amina fifidianana, na koa mandray asa amin’ny resak apolitika ireo rehetra nanongam-panjakana, araka izay voalazann’y andininy faha-25 ao anatin’izya sata afrikana izay ihany. Noho izany, hoy Naika Eliane dia mamita-bahoaka ry Andry Rajoleina fa izy ireo no tena mil aio amnistia io. Vonona izahay, hoy izy hampihatra tanterak any sori-dalana.

Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny Sadec anefa ny tenany mba handray fepetra hoa n’ireo izay minia mitady tsy handany io amnistia io. “Mangataka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay ankolafy Ravalomanana avoahy ny sazy hoan’ny isam-batan’olona ka sambory sy gadrao izay miadaladala”, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny CST. Ankoatra izay dia nambarany fa mazava be ny tenin’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeana nilaza fa tsy azo ovana ny tetiandrom-pifidianana ary raha tsy manaraka an-tsakany asy an-davany ny sori-dalana ny mpitondra dia tsy hisy ny fanampiana mitentina 34 miliara Ariary mahery ho an’ny fifidianana sy ny tahiry eoropeana hoa nn’y fampandrosoana n any FED andiany faha-10. “Mitady hanao fairano ny Malagasy ry Andry Rajoelina”, hoy ihany Naika Eliane.

“Mila amnitia dia omenay ry zareo saingy maro ny zavatr atsy nety nataony teto amin’ny firenena toy ny halatra boaderozy, ny volamena, ny operation Tandroka, ny 26 janoary, ny 7 febroary, ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fanonganam-panjakana. Tsy manaiky isika vahoaka raha tsy tsaraina amin’izany izy ireo”, hoy ihany Naika Eliane. Araka ny fanazavany ihany dia mbola mety hamerina ny ratsy natao satria te hanankarena tampoka anaty tetezamita raha toa ka tsy ho saziana sy tsy ho tsaraina. Nambarany ihany ko afa hogiazana avokoa ny fananan’ireo mpitondra any am-pita. Tsy azo ekena izany, hoy Niaka Eliane fa dia averina amin’ny vahoaka ny fananany nangalarina. Ohatra nalainy tamin’izany ny trano goavana iray nitsangana tampoka tao Morondava izay hoalaina hanabeazana kamboty.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT