Naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ny raharaha anatin’ny antoko misy azy, dia ny Tiako I Madagasikara, ny loholon’i Madagasikara sady filoha lefitry ny Vehivavy Tiako I Madagasikara, misahana ny toekarena sy ny vola.
Nitondra ny tenin’ity sampana velona iray eo anivon’ny antoko ity ny tenany ary nanao fanambarana an-taratasy manamafy ny fanohanan’izy ireo tsy misy fepetra an’Atoa Marc Ravalomanana, filoha mpanorina ny antoko Tiako I Madagasikara. Melohin’izy ireo ny fikasan’ny sasany hanilika mialoha ny fotoana ity filoha voafidim-bahoaka ity amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Melohin’izy ireo koa ny fisandohan’andraikitra sy ny fisolokiana ny antoko Tiako I Madagasikara ataon’ny tari-dRaharinaivo izay mampiraviravy tanana ny mpikambana. Milaza anefa ny loholona Naika Eliane sy ny Vehivavy Tiako I Madagasikara fa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ihany no antoka ho an’ny Malagasy hisian’ny filaminana sy hampandroso indray an’i Madagasikara, fa tsy ny familivilian-dresaka ataon’ny mpanongam-panjakana sy ny forongony tsy mikendry afa tsy ny hampisavorovoro ny saim-bahoaka amin’ny tsy fampiharana ny fifanarahana efa nosoniavina tany Maputo sy Addis Abeba.
Nahitsy ary hentitra ny fanambarana nataon’ny Vehivavy Tiako I Madagasikara tamin’ny alalan’i Naika Eliane fa sady tsy mahasolotena velively ny antoko ingahy Raharinaivo no tsy natao ho amin’izany koa, fa Randriasandratriniony Yvan, filohan’ny antoko voafidy ara-dalàna irery ihany no izy. Nambaran-dRtoa Naika Eliane koa fa olom-baovao ao amin’ny antoko avokoa ny ankamaroan’ireo miara-dia amin-dRaharinaivo sy manodidina azy ireo, mpanao politika mpivadibadika palitao tsy mikatsaka afa tsy tombontsoany. Koa miantso ary koa misintona ny sain’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireto Vehivavy Tiako I Madagasikara ireto mba tsy ho sodokan’ny fanodinkodinan-dresaka ataon’ny mpanongam-panjakana sy ny forongony mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Naneho ny heviny mikasika ny famahana ny krizy koa ny Vehivavy Tiako I Madagasikara, ka tamin’ny fanambarana nataony no nanamafisan’izy ireo ny fanohanany ny ezaka fanelanelanana ataon’ny GIC tarihin’ny filoha Joachim Chissano hampanjakana indray ny fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara ary koa hametrahana ny tena fanjakana tan-dalàna. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa izy ireo hanohana ny fanapahan-kevitry ny SADC sy ny Firaisambe Afrikanina, indrindra amin’ny fampiharana ny sazy iraisam-pirenena, ny hanamafisana izany aza mandra-piverin’ny ara-dalàna indray eto Madagasikara.
Tsipahin’izy ireo kosa anefa ny tetiky ny mpanongam-panjakana sy ireo hery vahiny manohana azy, mikasa hametraka amboletra fifanarahana notefena hiarovana tombontsoan’olom-bitsy. Manoloana izany dia manainga ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Vehivavy Tiako I Madagasikara hanao izay tandrify azy hanerena ny FAT hamoaka ireo gadra politika ary koa hamela malalaka ny Malagasy hahazo hivezivezy eto amin’ny taniny. Mitaky ihany koa ny hanokafana fanadihadiana mahaleotena mikasika ny heloka bevava rehetra niseho ny taona 2009 sy 2010 koa izy ireo, araka ny fanambarana nataon-dRtoa Naika Eliane hatrany. Any Frantsa any moa amin’izao fotoana ity Senatera ity. Nosamborin’ny FIS toy ny nisambotra jiolahy mahery vaika tao amina hotely iray teny amin’ny 67ha izy ny sabotsy 12 septambra 2009, taorian’ny hetsika nataon’ny Ankolafy Telo nitaky ny hampiharana ny satan’i Maputo. Naratra mihitsy ity Senatera ity tamin’io fotoana io, ary very avokoa ny fananany toy ny firavaka sy vola tamin’izay. Notanana am-ponja vonjimaika teny Antanimora izy taorian’ny fanadihadiana natao azy teny amin’ny borigadin’ny zandary Betongolo. Fanimbana fananam-bahoaka sy fitarihana olona tsy nahazoana alalana no anisan’ny vesatra nanenjehana an’i Naika Eliane. Izy no vehivavy Legalista faharoa, taorian’i Ihanta Randriamandranto, nosamborin’ny FAT ary notanana am-ponja. Nohelohin’ny fitsarana enim-bolana an-tranomaizina sazy mihatona Ihanta Randriamandrato rehefa voatana efa-bolana tany Manjakandriana. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa i Naika Eliane ny 22 septambra 2009 rehefa voatana iray volana mahery am-ponja. Nihazo avy hatrany an’i Frantsa, namonjy ny zanany, izy taorian’io. Tao anatin’izay herintaona nandaozany an’i Madagasikara izay dia tsy nitsahatra namonjy fivoriana iraisam-pirenena, indrindra ny ataon’ny Parlemantera, nijoro vavolombelona amin’ny zava-mitranga eto Madagasikara, indrindra ny herisetra sy ny habibiana ataon’ny hery famoretan’ny FAT sy ny fandrobana ny harem-pirenena ary ny tsy fanajana ny zon’olombelona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.