Politique

Nahemotra ny fifidianana Miandry an’i Dada


  • Alarobia 06 Febroary 2013

Tsy honohono intsony ary efa ofisialy izao fa mihemotra ny datim-pifidianana. Amin’ny ny 24 jolay 2013 indray no hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 Roa volana aorian’io, izany hoe amin’ny 25 septambra 2013 ny fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka ary amin’ny 23 oktobra 2013 ny fifidianana Ben’ny tanàna. Izay no tapaka teny amin’ny CCI Ivato nandritra ireo roa andro nivorian’ny CENI-T sy ny masoivoho vahiny ary ireo fikambanana iraisam-pirenena eto amintsika. Nitombina tsara, araka izany, ny tombantombana efa nentina teto omaly, ary mazava izao fa tena tsy mbola feno ny fepetra hahafahana manatanteraka fifidianana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, na eo amin’ny lafiny teknika io na eo amin’ny lafiny politika. Momba itsy voalohany aloha dia tsy mbola vita araka ny tokony ho izy ny fanisana ny mpifidy, mbola asa be ny fanoratana ny lisi-pifidianana, mbola henjana koa ny famerenana ny lisi-pifidianana eny amin’ny Fokontany ka hanamarinan’ny olona ny anarany na ao na tsy ao, na misy diso tsipelina.

Samy nahafantatra tsara izany na ny CENI-T na ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy nahagaga raha nitarazoka ny famoahana ny vola ilaina amin’ny fifidianana. Ara-politika kosa dia mbola goavana ihany koa ny asa satria voasoratra mazava ao amin’ny tondrozotra fa atao aloha ny fampihavanam-pirenena, apetraka ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy izay vao miroso amin’ny fifidianana. Iaraha-mahita anefa fa tsy mbola misy tanteraka ireo, ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) aza tsy mbola fantatra, ka ahoana moa no hanombohana ny fampihavanam-pirenena amin’izany ? Raha fametrahana ny fitoniana indray no resahana dia mbola maro ny andininy tsy tanteraka ao amin’ny tondrozotra, tahaka ny famoahana ny gadra politika, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona nandritra ny fitondrana tetezamita ary ny fodian’ireo sesitany politika.

Raha mbola itarina kely aza ny resaka dia tsy misy fifidianana miainga eto raha tsy tafody i Marc Ravalomanana. Izay ihany koa no fitakiana sy ambentin-teny isan’andro etsy amin’ny Magro Behoririka, indrindra toarian’ny namoahan’ny CENI-T ny tetiandrom-pifidianana tamin’ny aogositra 2012. Malaina dia malaina ny amin’io ny ankolafy Rajoelina sy ireo mpanao politika sasany, saingy izay no nifanarahana ary voasoratra ao amin’ny andininy faha-20-n’ny tondrozotra, dia tsy te hahalala afa-tsy izay ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fifidianana filoham-pirenena ihany no alefa mialoha. Midika izany fa tsy nahomby ny paikadin’i Andry Rajoelina na dia efa niezaka nandeha tany New York nandresy lahatra ny Sekretera jeneralin’ny firenena mikambana aza izy. Ity izany no tonga amin’ny hoe sady voatefaky ny CENI-T i Andry Rajoelina no nandraingiraingy tany amin’ny Firenena Mikambana. Fantatra mantsy fa niandry fotsiny ny fanapahan-kevitra nivoaka teny Ivato ny tany New York misy ny foiben’ny Firenena Mikambana, dia nankato sy nanaraka izany. Vola lany sy fotoana very fotsiny, araka izany, ny dian-dRajoelina tany. Asa izay hambarany rehefa tonga izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT