Politique

Nahazo Ministera Nifanao dom-bera ny «La 19»


  • Talata 20 Jolay 2010


Nifamotoana teny amin’ny Mess Fiadanana ireo miaramila tamin’ny andiany indray mihira faha-19 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny sabotsy, farany herinandro teo. Ny lietnà kolonely Mandehatsara Georget, Ministry ny jono sy ny harena an-dranomasina, voatendry ny alatsinain’ny pentekôty teo no tompom-panasana. Mazava loatra fa fifampizarana hafaliana amin’ny nanendrena azy amin’ny maha ministra no anisan’ny antony. Fa ho an’ny mpiray andiany dia zava-dehibe ho azy ireo koa izany hoe nahazo ministera ny “La 19” izany, ka dia nomarihina tamin’ny dom-bera ny fiarahana tamin’io fotoana io. Nandimby toerana an’i Alain Andriamiseza ny lietnà kolonely Mandehatsara Georget. Filoha nasionalin’ny antoko MCDM, Legalista mpikambana tao amin’ny “Alliance Démocratique” teo aloha, ary mpitarika ny FFM ivondronan’ny “Foko 18” ankehitriny, nitana izany ministera izany teo anelanelan’ny 08 septambra 2009 ka hatramin’ny 24 mey 2010 teo itsy voalohany. Zanak’i Vatovavy Fitovinany ny lietnà kolonely Mandehatsara Georget ministra ankehitriny, ary manana rohim-pihavanana amin’ny kolonely Faharo Ratsimbalison, Lehiben’ny Faritra Menabe ankehitriny. Mpiara-miasa akaiky aminy aza ny zanak’ity farany. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT