Novitainy ny saziny 90 andro. Nivoaka ny fonja omaly misandratr’andro i Manoela. Nasaina notetezin’ity Tanora Tiako i Madagasikara ity ny fonjan’i Tsiafahy sy Antanimora namitany ny saziny.
Ny 15 jona 2010 i Manoela no noloaran’ny Emmo-Reg tetsy Besarety tao anatin’ny taxi-be raha iny hody iny, rehefa avy namonjy ny fihaonan’ny Ankolafy Telo tao amin’ny Magro Behoririka. Nentina natao fanadihadiana tetsy amin’ny tobin’ny zandary etsy Betongolo avy hatrany izy. Fampirisihina ny olona hanao herisetra, faniratsirana mpitandro ny filaminana, ireo no tena vesatra mitantsoroka taminy, ka nahatonga ny fanenjehana, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny Emmo-Reg tamin’ny fotoana nisamborana azy. Ankoatra izay anefa dia voalaza ihany koa fa nandrisika ny olona tsy hanangan-tsaina izy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena teo, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Nahagaga ahy, hoy i Manoela omaly fa nampitomboina sivy ny vesatra nanenjehana ahy nony tonga teny amin’ny fitsarana. Ho an’ny mpandinika dia mifandraika amin’ny raharaha FIGN ny fisamborana azy.
Na dia tsy izany mivantana aza no tena votoatin’ity fisamborana an’i Manoela ity dia fantatra tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana fa anisan’ny hita teny amin’ny Mausolée koa ny tenany tamin’ny 20 mey ka mainka koa izany nandrisika ny Emmo-Reg tamin’ny fanarahan-dia sy fisamborana azy. Nitsena ny fivoahan’i Manoela ny fonja omaly ny fianakaviany sy ireo mpiara-mitolona aminy ao amin’ny Magro. Tsy hita soritra teny aminy izany olona resy izany, ny mifanohitra amin’izay aza. Endrika mirana no nahitana azy, sy nandraisan’ny vady aman-janany azy. Mbola betsaka ny namako tavela ao, hoy izy. Koa avoahy ireo gadra politika ireo raha hanao demokrasia marina. Hentitra koa i Manoela nilaza fa «mitohy ny tolona». «Marc Ravalomanana no tohanako, ary hanavotra an’i Madagasikara no nitolomako ka tsy himemotra amin’izany aho”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.