Politique

Nadine Ramaroson “Zarao ho an’ny vahoaka ny tany !”


  • Zoma 08 Jolay 2011

Hanamarika ny fankalazana ny andro maneran-tanin’ny mponina ny adihevitra momba ny toerana sy ny lanjan’ny sosialim-bahoaka izay hotontosaina eny amin’ny CCI Ivato ny zoma 15 jolay izao.

 “Mponina : tompon’ny dinika, tompon’ny asa ary tompon’ny hoaviny” no lohahevitra hotapatapahana mandritra io fotoana io izay hanasana manampahefana, fikambanana maro samihafa ary filoham-pokontany nasaina manokana. Efa manana ny heviny izay hotohanany mandritra izany ny minisitry ny mponina. Aminy dia ny fanatsarana ny lafiny ara-tsosialy sy fizarana ny tany maro mbola lavavolo amin’ny vahoaka malagasy no vahaolana amin’ny fahantrana. Mila ny tosika avy amin’ny fanjakana koa, hoy izy ireo tena sahirana miisa 8 tapitrisa mba ahafahany mioitra amin’ny fiainana. Nambarany fa tokony hapetraka eto amintsika ny “politikam-pirenena ara-tsosialy” hanapahana ny laharampahamehana sy handrindrana ny asa atao mifandraika amin’izay.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT