Politique

Mpomba ny TGV teo aloha Namaky bantsilana ny fitondran-dRajoelina


  • Alarobia 18 Aogositra 2010

«Miha lava hatrany ny tetezamita FAT ary tsy misy olona afaka milaza hoe rahoviana no mety ho tapitra izany. Natao daholo izao konferansa rehetra izao fa tsy nisy tohiny avokoa, tsy nisy hita ireo fehin-kevitra», hoy i Elimberaza Laurent Mandridake, mpampianatra mpikaroka.

Nopotsipotserin’ity mpampianatra sy ireo mpanara-dia azy ny zavatra rehetra hita fa tsy mety eto amin’ny firenena. Ho an’ny solontena avy any Fianarantsoa dia nazava ny resaka. “Tsy misy intsony ny fahatokisana ny fitondrana ankehitriny. Hitan’ny vahoaka fa tsy raharahain’ny fitondrana izay sonia sy fanekena nataony”, hoy izy. Mpitari-tolona TGV kosa no nisolotena an’i Mahajanga. “Kivy tanteraka aho hoe hoentina aiza ity firenena ity ? Izany no tsy nandraisako anjara intsony nanomboka teo amin’ny dinika santatra”, hoy izy. Nihevitra izy fa tokony ho afaka nandray anjara tamin’ireny dinika ireny kinanjo teny midina, efa voaomana no natao. Betsaka ny zavatra nampanantenaina anay, saingy navadibadika fotsiny ihany, hoy kosa ny solontenan’i Toliara. Ho an’ny avy any Antsiranana indray dia tsy misy vahaolana afa tsy ny fialan-dRajoelina sy ny fananganana governemanta vaovao no nambarany. Efa tsy mahandry intsony izahay, hoy izy. Ho an’ny faritra Sofia moa dia notsoriny fa sady leo ny Ankolafy Telo izy no tsy matoky ihany koa ny FAT. Manoloana izany rehetra izany dia miantso ireo raiamandreny, ireo manampahaizana, ireo mpitondra fivavahana, ny vahoaka tsotra sy ny maro hafa hijoro sy hiteny eo anatrehan’ny tsy rariny i Elimberaza Laurent Mandridake. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT