Politique

Mpomba ny filoha Ravalomanana Hamoronana dosie indray


  • Alarobia 13 Oktobra 2010

Taorian’ny fivoahan’ny anaran’ireo nahazo seza na ho an’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita, na ho an’ny Kaongresin’ny tetezamita dia miala any indray amin’izao fotoana ny antsojay atao amin’izay mpanao politika mijoro mitaky ny fijoroan’ny ara-dalàna.

Fantatra mantsy ankehitriny fa misy ny tetika hanagadrana azy ireo raha mbola maneho hevitra. Ho an’izay efa nivadika nitady seza moa dia efa nahazo fa ho an’izay mbola mijoro kosa dia hanomboka anio na rahampitso dia efa hisy izay fanaovana antsojay izay. Anisan’ireo voakasika Rakotoarivelo Mamy sy Rakoto Andrianirina Fetison. Ho an’itsy voalohany dia havoaka indray ny resaka fanapoahana baomba vita gasy. Efa nalaza io resaka io omaly teny anivon’ny Lapan’ny Fitsarana ary raha izao no mitohy dia anio izany no horesahina indray eny amin’ny Fitsarana. Atsy ho atsy dia hitatra ity fanaovana antsojay ity ka ny tanjona dia ny tsy hitenenan’ireo izay mijoro manohitra izao fitondrana nalaina an-keriny izao. Anisan’ny tanjona ihany koa ny tsy hisian’ireo izay hanohitra ka hiteny hampifidy ny Tsia amin’ny fifidianana izay kasain’ny FAT hatao. Toa fahadisoan-kevitra ihany anefa izany satria na ireo Ankolafy Telo aza dia efa samy nilaza fa fanapotehana ny firenena ny fanaovana fifidianana. Ho hita eo ny tohiny! 

Fa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT