Politique

Mpomba ny ankolafy telo Misy mandrahona hisambotra koa ny any Ambatondrazaka


  • Zoma 02 Aprily 2010


Mandeha ny feo fa misy mikasa hisambotra ireo lohandohany ao amin’ny ankolafy telo nitarika olona nitanjozotra hanatitra voninkazo tao amin’ny tsangambaton’ny maherifo ao Ambatondrazaka ny 29 martsa teo. Ny loharanom-baovao no mitatitra fa noraisin’ny tompon’andraikitra ho famorian’olona tsy nahazoana alalana ny nitranga tamin’io andro io, ka mety ho izay no mahatonga ny resaka fisamborana mandeha ankehitriny. Raha tsiahivina dia nisy diabe nataon’ny legalista sy ny ankolafy telo ao Ambatondrazaka, nihazo ny tsangambaton’ny 29 martsa nanateran’izy ireo fehezam-bonikazo ho mari-pahatsiarovana ireo tia tanindrazana, nanao vy very ny ainy, ho fanavotam-pirenena teo ambany vahohon’ny frantsay mpanjanatany. Lalana sahabo ho 1km teo no nodiavin’izy ireo tamin’izay, niala teo anoloan’ny biraon’ny Caisse d’Epargne Madiotsifafana nihazo ny tsangambaton’ny maherifo. Nanao izay fomba rehetra hanakanana ny dian’izy ireo ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nahasakana. Nihaodihaody tamin’ny lalana nodiavin’izy ireo ny fiara tsy mataho-dalana feno zandary sy polisy fa izay no baiko midina. Dia izao tonga amin’ny mety ho fisamborana izao ny raharaha.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT