Mijanona ho fakan-kevitra ihany ny fihaonambe nasionaly teny Ivato ny herinandro lasa teo. Maro tamin’ireo mpanao politika nandray anjara tao, toa an-dry Robert Razaka (elatra HPM) no milaza izany.
Ny ministry ny varotra teo aloha, Rakotonirina Jean Claude, koa aza nametra-panontaniana raha iny no tena konferansa nasionaly ara-dalàna marina satria araka ny nambarany dia tokony ho nisy didim-panjakana mamaritra izany. Ireo mpizaika tsotra moa etsy andaniny dia maro tamin’izy ireo no mihevitra fa raha fientanam-po sy ny fahavitrihana tsy nisy toy ny nandritra ireny «assises nationales» nitohy tamin’ny kaonferansa rezionaly natao ny taona 2009 ireny, izay namaritra tetiandro mazava hitantanana ny tetezamita nefa nankaiza ny zava-tinapaka nandritra ireny no tsy nampiharina ? Tsy ankehitriny indray izahay hoy ireto mpizaika tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana ireto no hanantena zava-baovao. Ampy ho fiononam-po ho azy ireo ny vola iray hetsy ariary noraisina ho fanonerana ny asa tsy vita tany ambanivohitra nandritra ny herinandro nijanonana teto izay.
Na izany aza dia misy tamin’izy ireo koa no nilaza fa nilaina ihany iny fihaonana iny satria ampy nahafantaran’izy ireo ny zava-misy marina eto amin’ny firenena ny herinandro nijanonana teto Antananarivo. Demokrasia no dradradradraina nefa mifanalavitra amin’izany no niainana satria faneriterena miharo fandrahonana ankolaka no nanjaka ankoatra ny famadibadihan-dresaka. Tsy izay hevitra nivoitra nandritra ny Dinika Santatra no tao anatin’ny antontan-kevitra nomena anay, hoy ny mpizaika. Raha niresaka famontsoran-keloka dia faobe izany teo anelanelan’ny taona 2002-2008, fa voafantina kosa ho an’ny taona 2009, nefa dia noterena ho voafantina avokoa indray izany rehefa raikitra ny tokoa. Santionany amin’ny fanamarihana nentin’ireo mpizaika izany, ka nilazan’izy ireo fa ampy ho fiononam-po ho azy ilay vola iray hetsy isan’olona nomena teo am-pamaranana ny fihaonambe.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.