Politique

Mpizaika ny fihaonambem-pirenena Marobe no tsy tafody fa tsy nahazo vola


  • Talata 21 Septambra 2010

Omaly no natolotra tetsy Ambohitsorohitra ny fehin-kevitra tapaka nandritry ny fihaonam-bem-pirenena tetsy Ivato.

Omaly ihany koa anefa dia efa nanomboka niseho lany ny tsy fahatombanana teo amin’ny fikarakarana ka nitarika ny fahatezeran’ireo mpizaika. Porofon’izany, nisy tamin’ireo no nirohotra tetsy amin’ny trano fitaratra tetsy Ampefiloha mba hitaky ny volany. Torak’izany ihany koa ny tetsy Ambodivona tao amin’ny biraon’ny fahitalavitra sy ny radio Viva izay nandehanan’ny mpizaika sasantsasany ihany koa. Samy nody maina ireo rehefa tratran’ny fialana bala toa ny mahazatra ihany. Tsy inona izany fa ny fandefasana azy ireo hijery tompon’andraikitra hafa. Ny tetsy amin’ny Viva indray dia naely ny tsaho fa hoe mpizaika mpomba ny fitondrana ireo ary mety hisy fivoriana – raha tsy hoe angaha fizarana vola – atao miaraka amin’ny tompon’andraikitry ny TGV.

Ireo olona nitokotokona rahateo dia tsy nisy nety nilaza izay tena marina hany ka nisamboaravoara be ihany ny momba ity tranga tetsy Ambodivona omaly ity. Na izany aza aloha dia ny fitakiana vola no manaikaiky kokoa ny zava-niseho. Efa nampanantenaina rahateo ireo mpizaika fa tsy hiala maina fa tsy maintsy azo ny vola nampanantenaina. Asa raha hiditra indray ny Emmo-Reg amin’ny famahana ny olana ary hanery ireo olona hody avy hatrany rehefa mba mitaky ny zony. Toa ireny teny amin’ny LTPI Alarobia ireny… 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT