Namoaka fanambarana ny alakamisy 23 febroary 2017 teo ny Seces (Syndicat des Enseignants-Chercheurs et Chercheurs-Enseignants de l’Enseignement Supérieur).
Voalaza ao anatin’izany fa manalavitra ny tany tan-dalàna ny firenena Malagasy na koa tsy mahatoky ny tandroka aron’ny vozona noho ny fitondran-tena mihoa-pefy sy tsy manaja ny fitsipi-pifehezana ary miahiahy amin’ny fahaleovantenan’ny fitsarana taorian’ilay didy tsy natrehan’ny voampanga na ny mpisolovava azy teny amin’ny lapan’Anosy ny 14 febroary 2017 ny vahoaka. Mitsipaka ny fampanofana na ny fanomezana tany ny vahiny mandritra ny fotoana maharitra sy ny fitantanan’ny mpandraharaha tsy miankina ny orinasam-panjakana izay antoky ny fiandrianam-pirenena ary mitaky sazy tena henjana ho an’ireo mpandroba harem-pirenena. Anisan’izany ny fanondranana an-tsokosoko andramena, volamena, vatosoa, sokatra sy ny maro hafa. Tsy fahotana ho an’ny mpitondra tsy mahomby ny mibaboka, hoy ny ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ao anatin’ny fanambarana. Vonona hifanome tanana hanarina ny firenena ny teknisianina sy manampahaizana eto an-toerana, hoy hatrany ny Seces.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.