Kely finoana amin’ny hisian’ny fifidianana ny taona 2018 ny AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara).
Misavorovoro be mantsy ny fiainam-pirenena ankehitriny, hoy ny filohany Rakotomanga Eric. Maro ihany koa ny fanatsarana na fanitsiana ilaina hapetraka handaminana ny zava-misy eto Madagasikara. Mbola miteraka ady hevitra be ohatra ny lalam-pifidianana volavolain’ny kaomisionina mahaleotena mikirakira ny fifidianana. Vaomiera nasionaly tsy hita taratra rahateo hatreto ny maha-mahaleotena azy, hoy ity mpitarika antoko politika ity. Tsy laharam-pahamehana n ihany koa ianareo y fomba fijerin’ny fianakaviambe iraisampirenena hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena na fampifanatonana ireo mpanao politika satria tsy nisy ady goavana niseho ohatran’ny tany amin’ireo firenen-kafa tahaka an’i Lybia, Syria na Liban teto amintsika, araka ny fanazavany. Raharaham-bahoaka mila vahana haingana izao ny fahantran’ny Malagasy maro an’isa sy ny politikam-panjakana tsy mifanaraka intsony amin’ny hetahetan’ny mponina eto Madagasikara. Hipetraka ho azy moa ny fifandimbiasam-pahefana demokratika raha manaja sy manatanteraka ny fandaharanasa nampanantenainy ny vahoaka ny mpitondra eto amintsika, hoy ny filohan’ny Akfm.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.