Politique

Mpitondra Malagasy Tsy manaja ny programa nampanantenainy ny vahoaka


  • Talata 23 Mey 2017

Kely finoana amin’ny hisian’ny fifidianana ny taona 2018 ny AKFM (Antokon’ny Kongresin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara). Misavorovoro be mantsy ny fiainam-pirenena ankehitriny, hoy ny filohany Rakotomanga Eric.

Maro ihany koa ny fanatsarana na fanitsiana ilaina hapetraka handaminana ny zava-misy eto Madagasikara. Mbola miteraka adihevitra be, ohatra, ny lalàm-pifidianana volavolain’ny kaomisionina mahaleotena mikirakira ny fifidianana. Vaomiera nasionaly tsy hita taratra rahateo hatreto ny maha mahaleotena azy, hoy ity mpitarika antoko politika ity. Tsy laharam-pahamehana ny fomba fijerin’ny fianakaviambe iraisampirenena hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena na fampifanatonana ireo mpanao politika satria tsy nisy ady goavana niseho ohatra ny tany amin’ireo firenen-kafa tahaka an’i Lybia, Syria na Liban teto amintsika, araka ny fanazavany. Raharaham-bahoaka mila vahana haingana izao ny fahantran’ny Malagasy maro an’isa sy ny politikam-panjakana tsy mifanaraka intsony amin’ny hetahetan’ny mponina eto Madagasikara. Hipetraka ho azy moa ny fifandimbiasam-pahefana demokratika raha manaja sy manatanteraka ny fandaharanasa nampanantenainy ny vahoaka ny mpitondra eto amintsika, hoy ny filohan’ny AKFM.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT