Politique

Mpitondra FAT Misy mahavidy fiara 1,8 miliara aloa tolobotsotra


  • Alarobia 07 Aprily 2010


Na inona resaka hatao na inona dia miara-miaiky isika fa mbola mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena, hoy ny fiombonamben’ny firaisamonim-pirenena izay milaza fa tsy mankato ny kisarim-pifidianana tadiavin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) hatao satria ankolafy tokana no hikarakara izany, ka dia mifanohitra tanteraka amin’ny fenitra demokratika. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia nanao antso avo ity fiombonambe ity. Fanontaniana àry no apetrak’izy ireo ny momba izay fandaharan’asan’ny governemanta ankehitriny, ny politika ara-toekarena sy ara-tsosialy atao, ny nankatoavana izany ary ny vokatr’izany. Momba ny fitantanam-bola dia takian’ny fiombonamben’ny firaisa-monim-pirenena ny hijerena ny fari-piainan’ireo mpitondra ankehitriny. Tokony hanao fanambarana ampahibemaso izy ireo ny momba ny karama sy tombontsoa azony, manomboka any amin’ny filohan’ny FAT ka hatraty amin’ireo tompon’andraikitra antenantenany. Takian’izy ireo koa ny hampiharana ny lalana 2004-030 momba ny fanambaram-pananana. Milaza ho nahita maso sy manana porofo moa ireto firaisa-monim-pirenena fa misy tompon’andraikitra mitety minisitera mitaky vola, eo koa ny tompon’andraikitra mividy fiara misanda 1,8 miliara naloa tolobotsotra, misy koa ireo mpitondra ankehitriny mahavita trano tampoka, araka ny fanazavana ihany. Ankoatra izany dia mahatsikaritra ihany koa ny firaisamonim-pirenena fa misy tsy mazava ny fitantanam-bolam-panjakana ankehitriny. Fanontaniana ihany koa no apetrak’izy ireo momba izay loharanom-bola hiatrehana ireo fandaniana isan-karazany, ny hanatanterahana ny fifidianana, ny loharanom-bola hampandehanana ireo rafitra vao najoron’ny FAT toy ny eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ohatra.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT