Politique

Mpitondra fanjakana Mihatsaravelatsihy


  • Sabotsy 24 Septambra 2016

Iaraha-mahita ny savovoro ara-politika sy ara-tsosialy eto amin’ny firenena ankehitriny.

 

 Tompon’antoka feno amin’izany ny fanjakana tarihin’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Miezaka ny manadio tena tsy ho tompon’antoka anefa ny fanjakana raha dinihina ny fanehoan-kevitr’Atoa Rivo Rakotovao, minisitry ny fiompiana sady filohan’ny antoko HVM sy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly. Nanambara ny minisitry ny fiompiana Rivo Rakotovao fa tsy ao anaty savorovoro no hamahana ny olana manoloana ny fitotongan’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Any amin’ny lafiny ekonomia sy ny fampandrosoana no hamaliana ny kiana mahazo ny fitondrana raha ny firesany kanefa fanaovana be marenina no betsaka. Ny Praiminisitra ihany koa dia maneho fa « Ny mpitondra dia mila mihaino ny mpanohitra ary mpanohitra dia mila mihaino ny mpitondra ». Naneho ihany koa ny praiminisitra fa tokony hihaino ny fanjakana ny mpanohitra ary nomeny tsiny ireo milaza fa tsy ilaina ny Frankofonia izay ambarany fa tombontsoan’ny Malagasy.  Midika ireo fanehoan-kevitra ireo fa toa te hikendry fitoaniana ny HVM ary vonona hifampiresaka mba hisian’ny filaminana. Ny zava-misy anefa dia ny fanjakana mihitsy no mihantsy ankehitriny raha jerena amin’ny fihetsika asehony toy ny nangalana an-keriny ny tanin’Atoa Marc Ravalomanana tetsy Andohatapenaka, ny fanenjehana ny mpikamban’ny vondrona Mapar toa an’i Depiote Nina sy Atoa Augustin Andriamananoro, ny zava-misy tany Soamahamanina izay tsy nihainoana ny feon’ny vahoaka. Tsy misy eto amin’ny firenena izany fifampidinihana hikatsahana filaminana izany fa amboletra ataon’ny mpitondra no betsaka. Toa mitory fihatsarambelatsihy sy famendrofendroana fotsiny no ambaran’izy ireo fa tsy misy finiavana hikatsaka filaminana ka maro ny manasokajy ireto olom-panjakana ireto ho mpitari-bato vilam-bava.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT