Politique

Mpitondra ankehitriny Mpanefoefo sy misetrasetra


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Mampiteny ny moana ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Mahazo vahana ny kolikoly sy ny bizna. Mandeha ny ramatahora.

Mitombo isa andro aman’alina ny Malagasy mahantra fadiranovana taratry ny toekarena mitotongana, fa ao anatin’izany koa anefa dia misy ireo manankarena tampoka, anatin’ny fotoana fohy tato anatin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao. Ary saika manampahefana na fianakaviana mpitondra izy ireo. Ka mba lasa ihany ny saina aman’eritreritra ary maro no velom-panontaniana hoe mba manao fanambaram-pananana tany amin’ny Bianco ve ireny mpitondra ambony ireny ? Didin’ny lalàna rahateo ny tsy maintsy hanaovana izany, ary havaozina isan-taona. Tsy ahitan-teny mikasika izany ny Bianco. Mazava ny fomba fiteny momba anio : “manaiky matoa tsy miteny”. Sa tafiditra ao anatin’izany bizna izany koa izao ny Bianco ? Mitombo isa ireo fiara 4x4 sy ny “hummer” lafo vidy miriorio eto. Misetrasetra sy mitera-doza, ary mandrahona mitondra basy manerana ny tanàna ny mpitondra azy ireny. Tsy vitsy no nitondra faisana vokatr’izany, toy ny nitranga teny Antanimena, Ambatofotsy amin’ny lalam-pirenena faha-7, Avaradoha. Mitombo isa ireo mpitondra ambony manana trano tao anatin’ny fotoana fohy any ivelany any, manana kaonty amina miliara eto an-toerana araka ny efa notaterin’ny gazety mpivoaka isan’andro tamin’ny 2009, ny vola any ivelany manginy fotsiny.

Mampatsiaro an’i Madagasikara tamin’ny taona 1982 ny zava-misy ankehitriny. Izay mahalala olona dia tafita e!!! Izay miezaka no sahirana fa AFERA izao no mandeha. Mbola haharitra hatramin’ny 04 mey 2011 ve izany ny fihafiana sy ny gaboraraka ? Izao ve no nampanantenaina fony mbola teny an-kianja, fa nahoana no tsy tohizana izay heverina fa tsara tamin’ny teo aloha ? Miharatsy ery ny lalana, na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra. Tsy misy intsony ny fanamboarana sekoly sy hopitaly. Izao mihena ny vola azo amin’ny fadin-tseranana sy ny hetra nefa terena mafy ny orinasa. Lasan’ny mpibizna eo anelanelany fotsiny fa tsy misy hanasoavana ny vahoaka intsony. Ny eny an-dalana amin’ireo polisy manginy fotsiny. Tsy sanatria mialona, fa mampametra-panontaniana fotsiny hoe ny ministra taloha sy ny depiote ve no vendrana ka trano iray na roa no vita nefa dia ministra nandritry ny fito taona na mihoatra ? 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT