Politique

Mpitarika ny TIM Arahi-maso akaiky


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Miakatra ny maripana taorian’ny nahitan’ny fanjakana ny tanjaka ara-politika ananan’i Marc Ravalomanana sy ny Antoko Tiako I Madagasikara.

 

 Romotra tanteraka ny mpitondra HVM taorian’ny sabotsy 8 jolay nanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM, izay nanaovana antsojay, saingy tsy nahasakana ny vahoaka haneho ny fitiavany sy fanohanany an’i Marc Ravalomanana. Tsy tapitra eo ny raharaha fa vao mainka miditra amin’ny lalindalina kokoa. Re izao fa kononkononina any anaty lapa any ny fanaovana ramatahora sy ny fisamborana ireo mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara. Raha i Marc Ravalomanana ihany no kendrena hosamborina, dia mitombo ny isa satria niampy 3 indray izao, araka ny loharanom-baovao iray. Miisa 4 amin’izao fotoana ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny TIM arahi-maso fatratra, sy mety hosamborina hatao fanadihadiana ka efa eo an-dalam-pitadiavana ny fomba rehetra hanatanterahana izany ny fanjakana dia i Marc Ravalomanana, Olivier Donnat Andriamahefaparany, Guy Rivo Randrianarisoa ary ny Mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Nialoha ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny TIM ny 8 jona no efa nosavaina sy nanaovana ramatahora i Mamy Mamonjy Raharinavalona, mpikambana eo anivon’ny antoko. Tahaka ny mahazatra ihany ny paikady mety hampiasaina. Ambara fa nanakorontana ny filaminam-bahoaka sy ny fanjakana izy ireo na nanohintohina ny filaminana anatiny. Arahi-maso ireto lehibe mpitarika ny Tiako i Madagasikara ireto mba hikarohana ny mety ho fahadisoana na dia faran’izay kely indrindra aza ataon’izy ireo ka tonga dia ho avy amin’ny angady sy ny harona ny mpisambotra avy eo. Ny fanasoketana sy fanaratsiana moa dia io efa lasa tsianjery any anatin’ireo haino aman-jerin’ny mpitondra fanjakana isan’andro io. Etsy an-kilan’izay anefa dia efa namerimberina i Marc Ravalomanana fa tsy handairan’ny don-tandroka sy fampiorohoroana ara-tsaina amin’ny endriny maro samihafa izy. Koa dia ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT