Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia heverin’ireo ankolafy 3 mitambatra, dia ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert fa tokony tsy hiditra ao anatin’izay tetezamita tokony ho izy i Andry Rajoelina.
Tokony hanendry izay hanao sonia ny ankolafy Rajoelina, hoy Rakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ny Teza. Ankoatra izany dia tokony handray fepetra ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanao izay fomba rehetra hanakanana an’i Andry Rajoelina tsy ho ao anatin’ilay tetezamita tena izy, hoy ihany ity mpitari-tolona. Tsy tokony hibahana ao anatin’ny tetezamita rahateo i Andry Rajoelina, hoy ihany Rakotoamboa, satria efa nilaza tamim-pomba ofisialy ny filohan’ny FAT fa tsy hirotsaka hofidiana kanefa dia ho sakana ho an’ny fandrosoan’ny fiainam-pirenena. Taorian’ny raharaha Fign, ny alakamisy lasa teo, araka ny vaovao ihany dia eo amin’ny 30 indray ireo mpitari-tolona no tadiavina hosamborina. Na dia eo aza anefa izany fandrahonana fisamborana izany dia tsy maintsy mitohy ny tolona, hoy ihany Rakotoamboa. Miaro ny zony ireo olona mitolona ireo, raha ny fanazavana satria zo fototry ny olona ny maneho hevitra, zo fototra ihany koa ny manao izay fitakiana izany an-kalamanjana sy am-pilaminana. Miteraka lonilony ny famefena ny olona tsy haneho hevitra fa vao mainka hiteraka zava-doza ho an’ny firenena ny tranga toy izao, araka ny fanazavana satria manery ny olona hitroatra. Ny zavatra iainana na ara-toekarena, na ara-tsosialy, na ara-moraly dia efa tsy misy hevitra intsony, hoy ihany Rakotoamboa, ka noho izany, dia tsy misy fiainan’olombelona mihitsy, raha ny eto Madagasikara manokana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.