Politique

Mpitaky ny ara-dalŕna Hanao hetsika goavana


  • Zoma 15 Oktobra 2010

Tsy maty akory ny tolona ao Antsirabe raha somary nangingina taorian’ny fandalovan’ny solontenan’ny Ankolafy Telo farany tao Vakinankaratra fa naka bahana fotsiny.

Taorian’ny hetsiky ny Tiako I Madagasikara ny sabotsy 09 oktobra teo dia hisy indray ny hetsika goavana izay hatao an-kianja ny sabotsy 16 oktobra ho avy izao ao amin’ny Magro Avaratsena ka hivondronan’ireo mpitaky ny ara-dalàna rehetra ao antsirabe mihitsy. Hisy, araka izany, ny fanehoan-kevitra goavana amin’io satria dia efa vonombonona avokoa ireo mpitarika rehetra manerana ny fokontany amin’ity hetsika ity. Raha ny tafa fohy natao tamin’i Didier Radert izay anisan’ireo mpitarika ny hetsika dia hisy fanazavana momba ny anton’io fifidianana lalàmpanorenana io. Ao koa ny hoe : inona marina ny toeran’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana ? Teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey mantsy no naha filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita azy, io anefa efa rava. Ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba no naha filohan’ny tetezamita azy, io anefa tsy nampiharina ihany koa ka inona marina no tena andraikiny izao ? Eo koa moa ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ity fifidianana iantsoana mpifidy ity satria raha lany ny ENY dia ahoana ? Raha ny TSIA no betsaka dia ahoana ihany koa ? Izay ny mahatonga ny Tiako I Madagasikara Antsirabe sady tsy hampandany ny ENY no tsy hampanao ny TSIA. Hafana indray hanomboka izao ny kianjan’ny ara-dalàna Antsirabe ary efa mipetraka ny komity hanetsika ny Distrika tsirairay ao Vakinankaratra satria dia hitohy any ny fanentanana ny olona aorian’izao. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT