Politique

Mpikambana FAT Mandray tsy latsaky ny 17 tap. Ariary isan’olona


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Didim-panjakana no namaritana ny mombamomba ny tombontsoan’ireo mpikambana eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Araka ilay didim-panjakana, 2009-578, dia ao amin’ny sokajy faha-10 amin’ny mpiasam-panjakana ny filohany, ireo mpikambana eo anivon’ny birao ary ireo mpikambana tsotra ao amin’ny FAT.

Indice 3800 kosa ny filoha, 3 650 ireo mpikambana ao amin’ny birao ary 3500 ireo mpikambana tsotra. Araka io didim-panjakana io ihany dia manana tambin-karama 3 karazana ireto mpikambana FAT ireto. Eo ilay antsoina hoe tambinkarana iantohana fanasana na fivahinianana izay mitentina 124 000 Ariary ka hatramin’ny 192 000 Ariary isam-bolana, isan’olona. 100 000 Ariary isam-bolana isan’olona koa ny hofan-trano ary 740 000 Ariary ny tambin-karama rehefa mivory. Ankoatra ireo, ny solika izay mitentina hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary isam-bolana sy ny fahana izay any amin’ny 1.200.000 Ariary. Manginy fotsiny ny karama hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ariary. Raha atao ny kaonty tsotsotra dia tsy latsaky ny 17 tapitrisa Ariary ny tombontsoa raisin’ny mpikambana FAT iray isam-bolana. Ankoatra ireo rehetra ireo dia folo ny mpikambana eo anivon’ny kabinetran’ireo mpikambana tsirairay eo amin’ny FAT.

Ny filohan’ny FAT sy ny mpikambana ao amin’ny birao dia manana zo hanana mpanampy an-trano efatra avy, mpamily efatra ho an’ny filoha ary roa kosa ho an’ireo mpikambana ao amin’ny birao. Manana zo hanana mpanampy an-trano roa koa ireo mpikambana FAT tsotra. Rehefa natao ny kaonty baoritra, dia any amin’ny 697 tapitrisa Ariary isam-bolana, raha kely ny vola miala amin’ny kitapom-bolam-panjakana isam-bolana ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT