Politique

Mpikambana CENI : Hatovana ny lisitr’ireo voasazy


  • Zoma 26 Martsa 2010

Nihazakazahan’ny fahefana Avon’ny tetezamita samirery ny nanangana sy ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy nanendry izay ho mpikambana ao anatiny, na tsy feno isa aza, 16 amin’ny 19.

Namoahana didim-panjakana mihitsy ny fanendrena azy ireo. Mazava ny resaka ankehitriny satria dia miseho vatana ary mipoitra tsikelikely ireo fikambanana sy antoko politika nanohana ny fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara ny taona 2009. Mazava ihany koa izany izao fa dia mankasitraka ny zava-mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ireo fikambanana na vondron-kery nanolotra ireo olona notendren’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ho mpikambana ao amin’ity vaomiera ity. Ny lojikan’izay dia mitolo-tena ho isan’ireo olona hatovana ny lisitr’ireo olona nosazian’ny Vondrona Afrikanina amin’ny alalan’ny filankevi-pilaminana sy fandriampahalemana izany. Hiampy 15 indray izany ny listr’ireo 109 voasazy nampahafantarina ny 17 martsa, raha tokony ho 16, satria ny iray amin’ireo mpikambana amin’ny CENI ireo dia efa ao anatin’ny lisitry ny 109 voasazy, dia Ranampy Marie Gisèle, mpitsara avo ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT