Politique

Mpikamban’ny Kongresy Mitaky karama mitovy amin’ny CST


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

Manomboka mitaky ny fijerena ny tombontsoany ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) najoron’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT).

Tsy vitan’ny hoe mitaky fe mitaky fotsiny izy ireo ankehitriny, fa mampiaka-peo mihitsy satria ambaran’izy ireo fa tsy ahafahan’izy ireo manatontosa ny asa aman’andraikitra nomena azy ireo intsony ny tombontsoa nomena azy ireo. Raha tokony hahazo fiarakodia izy ireo, dia takiany ho telo hetsy Ariary isan’andro ny tambinkarama fivezivezena eto an-drenivohitra. Ankoatra izay, dia misy koa ireo mpikambana no mangataka ny hisiana tambinkarama hafa amin’ireo fivoriana ara-potoana. Ingahy Zakahely Boniface moa dia nilaza an-karihary mihitsy fa tokony hitovy ny karaman’ny mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ireo ao amin’ny filankevitra ambony izay mitentina 5 tapitrisa Ariary.

Araka ny fanazavany dia tsy lany tamina fifidianana izy ireo fa samy notendrena tamin’ny alalana didim-panjakana iray, ka tokony hitovy. Nomarihiny koa fa ny sasany tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny FAT dia nisy manana mpiasa an-trano 6, mpamily 2, fiara 4, ary mandray vola hatrany amin’ny 11 tapitrisa ariary isam-bolana ary tambinkarama 6 tapitrisa Ariary fanampiny. Nandrahona mihitsy moa ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity fa raha tsy misy valiny ireo fangatahana fampitoviana karaman’ny mpikambana CT sy CST ireo dia hambarany ampahibemaso ny anaran’ireo mpikambana FAT mahazo tombontsoa mihoapampana ireto. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT