Navoakan’ny komisionina mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) omaly ny isan’ireo mpifidy voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana amin’ny taona 2018.
Ny 15 aprily teo no nifarana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ary omaly no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny isa faran’ireo ao anaty lisitra manerana ny nosy. Nitombo 6, 38% ny taham-pahavitrihana, izany hoe, miisa 9.222.918 raha toa ka 8.613.485 ny taona 2016. Ny tanora no tena niampy betsaka satria dia nahatratra hatrany amin’ny 21, 69% , izany hoe lasa 501.575 raha toa ka 2.312.982 ny taona 2016. Tsy nahitana fiakarany firy kosa ny isan’ireo vehivavy satria dia 5, 93%, izany hoe, 4.215.358 raha 3.979.217 tamin’ny 2016.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.