Politique

Mpifidy eto Madagasikara 3 tapitrisa no tsy mahay mamaky teny sy manoratra


  • Zoma 21 Oktobra 2016

Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 3.000.000 amin’ireo mpifidy mihoatra ny 18 taona eto amintsika.

Mbola olana goavana sedrain’ny firenena Malagasy izany, hoy Andriamandranto Ralison, tompon’andraikitra eo anivon’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena na ny SEFAFI ka tokony hitadiavam-bahaolana. Anisan’ny nanosika azy ireo handray anjara tamin’ilay seminera notanterahin’ireo fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny eto amintsika omaly tetsy amin’ny Solimotel Anosy izany, notarihin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny masoivoho Frantsay miasa sy monina eto amintsika. Tanjona ny hahafahana mitady vahaolana mifandraika amin’izany ankoatra ny fampandraisana anjara ny rehetra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Marihina moa fa tazana nanatrika ity seminera ity ihany koa ny avy eo anivon’ny KMF CNOE  izay mitaky hatrany ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy mirindra ao anatin’ny fanajana ny zon’ny mpifidy tsirairay manerana ny Nosy. Andrasana izay mety ho vokatr’ity seminera ity fa tsy hijanona fotsiny amin’ny fivoriana tahaka izao izay tena mahasarika antsika Malagasy tokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT