Politique

Mpiasan’ny ladoany Niverina nandray asa


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Mivalona hatreo ny fitokonan’ny mpiasan’ny fadintseranana eto an-drenivohitra.

 Nampiato ny fitokonana nataony mantsy izy ireo taorian'ny fivoriambe notontosainy omaly maraina teny Antanimena izay nahitana ny solontena avy eny amin’ny foibe Antaninarenina sy Ivato. Araka izany dia ny tapakandro hariva ihany dia efa niverina nandray ny asany izy ireo mpiasan'ny ladoany. Mbola nanamafy ny fandavany ny fampiatoana amin’ny asany ilay «receveur des douanes» izy ireo saingy nilefitra kosa satria ny lefiny ihany no nasolo azy. Efa an-dalana rahateo ny fanadihadiana amantarana ireo tomponandraikitra tamin’iny raharaha iny izay sahanin’ny fitantanana foibe sy ny sampandraharaha misahana ny hosoka ao an-toerana. Efa natsangana koa ny vaomiera hisahana ny fikarakarana ny sata manokana ijoroan'ny mpiasan'ny fadintseranana sy ny fampitana ny fahaiza-manaon’ny Gasynet sy ny mpiasan’ny fadintseranana. Tsy nanome ny tetiandro hanatanterahana ilay sata manokana sy ny fampitana ny teknolojia kosa anefa ny Tale jeneralin’ny fadintseranana rehefa nanontaniana

 

Yves

 

sary : Sary fony tsy mbola niasa ireo mpiasan’ny fadintseranana tetsy Antanimena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT