Nitsefotra ny grevy faobe. Omaly no fotoana nifanomezan’ny mpiasam-panjakana fa hanaovany fitokonana ho fitakiana ny marikarama mitovy. Raha ny lamina napetraky ny F3M dia samy manatanteraka hetsika eny anivon’ny ministerany ny mpiasa ankoatra ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpampianatra.
Raha ny tsikaritra omaly anefa dia tsy tanteraka ny hetsika raha ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana satria tsy nahitana mpitsabo na koa “Paramed” teo antokotanin”ny Hjra tamin’ny 9 ora sy sasany, ora nifanomezana. Ankoatra izay dia nesorin’ireo mpitandro ny filaminana ao an-toerana koa ny sorabaventy nipetaka teo amin’ny fidirana ny hopitaly. Tsy nahitana hetsika toy izany koa tamin’ireo ministera hafa. Raha ny fanazavan’i Célestin Ramamonjisoa dia voatery tsy maintsy nanova paikady izy ireo manoloana ny ramatahora ataon’ny fanjakana ireo mpitokona. “Nasaina namonjy birao avokoa ny mpiasa saingy misy ireo tsy niasa mihitsy. Tany Antalaha sy Sambava kosa anefa dia misy ireo mpiasa efa vonona hanidy birao saingy nezahanay aty amin’ny foibe nalamina aloha izy ireo”, hoy izy. Na izany aza dia niaiky koa ity mpitarika ny FMMD ity fa mandeha tsikelikely ny hetsika ary tsy maintsy mikatso ny asam-panjakana raha manao be marenina hatrany ny mpitondra. Efa samy manana ny mpandrindra ny ministera tsirairay avy hatrany amin’ny faritra, hoy izy ka rehefa tena masaka tsara ny hetsika dia hiaraka hirohotra ny rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.