Politique

Mpiasam-panjakana Miala nenina farany


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Tamin’ny volana jolay 2009, araka ny fanazavan’ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao amin’ny Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana Malagasy na ny F3M, no efa nitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hampitoviana ny mari-karama eo amin’ny mpiasa mitovy sokajy sy mitovy diplaoma ary ny fampidirana anaty vatan-karama ny fanampin-karama, araka izay sata mifehy ny mpiasam-panjakana.

 Efa dila ihany anefa izao ny fotoana satria herinandro no fe-potoana nomen’ireto mpiasam-panjakana izay ahitana ireo nanohana ny hetsika teny amin’ny 13 mey tamin’ny fotoan’androny sy ny hetsika mitaky ny famerenana ny ara-dalàna. Tsy nisy valiny anefa ny avy ao amin’ny fiadidian’ny praiministra FAT. Karazana fampitandremana farany àry no nataon’ireto mpiasam-panjakana omaly, niantsoan’izy ireo ny filohan’ny FAT handray fanapahan-kevitra mba tsy hanerena ny mpiasam-panjakana hanao fitokonana ka hiafara amin’ny fampikatsoana ny asam-panjakana (machine administrative). Araka ny fanazavana moa dia hijery ny tombontsoan’ireo mpiasam-panjakana rehetra tsy ankanavaka no anisan’ny antom-pisian’ny F3M dia ilay antsoin’izy ireo hoe SIDA na Salaire Insuffisante Depuis Des Années. Amin’izao fotoana izao koa no ataon’izy ireo ny fangatahana fampitoviana ny marikarama noho ny filazan’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT fa misy vola mihoapampana ao. Araka ny fantatra ihany koa dia mpikambana roa eo anivon’ity fikambanana ity no efa tratry ny fandrahonana amin’izao fotoana izao. Tsy hijanona amin’io fitakiana ny marikarama mitovy io ihany ny fitakiana hataon’ny F3M. 

Nangonin’i Soa   
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT