Politique

Mpianatra «Médecine» Tsy hahazo ny tambinkaramany 2010


  • Talata 12 Oktobra 2010


Tsy mety milamina mihitsy ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nampiaka-peo indray izao ireo mpianatra ho mpitsabo eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo izay mitaky ny handoavana ny vatsimpianarana telo volana : septambra, oktobra ary novambra. “Rariny raha mangataka ny hanomezana azy ireo miaraka izahay satria ny volana febroary no nanomboka ny taom-pianarana tato amin’ny fakioltenay ary ny faran’ny oktobra no mifarana kanefa mbola maromaro ny vatsimpianarana tsy azo”, hoy i Herimihanina Jean Jacques, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra. Nanolotra soso-kevitra maromaro moa ireo mpianatra nandritra ny fivoriambe omaly.

Voalohany, ny fandoavana ireo vatsimpianarana ambiny ny 18 sy 19 oktobra izao. “Raha tsy tratra io fotoana io dia mangataka izahay mba ho azon’ny solontena atao ny mandray ny vatsimpianarana amin’ny alalan’ny fanomezana azy ny “procuration” . Raha tsy mbola mety ireo dia tokony ho azo raisina amin’ny taom-pianarana manaraka ny vatsimpianarana na koa alefa amin’ny alalan’ny Mvola” raha ny fanazavana nomen’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ihany. Fa tsy misy tokotaniny koa anefa ny vatsimpianarana momba ny fiofanana na allocation de stage ho an’ny taona faha-3 ka hatramin’ny faha-6. Na ny tetibola miompana amin’izany aza tsy mbola tonga eny anivon’ny oniversite akory. Ny fanadihadiana nataon’ny solontenan’ny mpianatra teny amin’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny fampianarana ambony no namantarana fa amin’ny tetibolan’ny oniversite 2011 vao haloa io vatsimpianarana 2010 io. Nandefa taratasy any amin’ny fakiolte mangataka ny fanafainganana ny fandoavana azy ihany anefa ny mpianatra. 1200 ariary isan’andro ny vatsimpianarana momba ny fiofanana, izany hoe roa hetsy ariary isaky ny mpianatra eo ho eo mandritra ny taona.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT