Politique

Mpianatr’Ankatso Hitety fianarana manomboka anio


  • Talata 09 Martsa 2010

Tapitra omaly ny fe-potoana nomen’ireo mpianatra Ankatso ny Fahefana Avon’ny Tetezamia hanomezany valin-teny momba ny fitakiana fanondrotana ny vatsim-pianarana sy ny fanatsarana ny fepetra hampizotra ara-dalŕna ny fianarana.

Miditra amin’ny dingana manaraka izy ireo ka hanomboka anio dia hisy ny fitetezana ireo efitrano fianarana eny amin’ny Ankatso hanazavana ny mpianatra ny anton’ny fitakiana. Nanomboka omaly no efa niparitaka teny amin’ny toeram-pianarana sy ny trano fonenan’ny mpianatra ny trakta manazava ireo fitakiana dia ny fampiakarana ny vatsim-pianarana ho 40.000 ariary, ny fampitaovana ho iray hetsy ariary, ny fanomezana fihenambidy 50% amin’ny fitaterana. Fantatra koa izao fa manatevina ny fitakiana ireo mpianatra ho mpitsabo izay mangataka ny handoavana ny tambin-karamany momba ny fianarana asa na ny “indemnité de stage” tamin’ny taon-dasa sy ny fanondrotana ny tahan’io tambin-karama io ho 2.000 ariary amin’ity taona ity raha 1 200 ariary izany ankehitriny. 

Raha ny fanazavan’i Lazasoa Michel, filohan’ny mpianatra avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana dia efa nisy ny fampanantenan’ny minisitry ny fampianarana Ambony Athanase Tongavelo hanomezana ny 20%-n’ny vatsim-pianarana amin’ny 15 martsa izao . Tsy nanaiky izany anefa ireo mpianatra mivondrona ao amin’ny faritra 22 raha ny hevitr’i Lazasoa Michel ka ny faraherin’ny Minisitera dia ny fanakaramana tanora mpianatra avy any amin’ny faritra hamono afo. Nisy tokoa ireo mpianatra izay nitonona ho filohan’ny fikambanana avy any amin’ny faritra 22 no nanao fanambarana omaly teny amin’ny “Fast Food” fa izy ireo no filoha ankehitriny fa mpisandoka avokoa ny ankoatra izay.
 
Nohamafisiny koa fa tsy manao politika izy ireo saingy malalaka ny tsirairay amin’ny heviny rehefa tsy mampiasa ny anaran’ny fikambanana entiny na misy azy. Momba ny fitakiana fanondrotana  ny vatsim-pianarana dia nilaza izy ireo fa miray hevitra amin’ireo namany momba ny fangatahana saingy tsy anisan’ireo nanome fe-potoana ny fanjakana. Ho an’i Lazasoa anefa dia olom-bitsy karamain’ny minisitera ny ankamaroan’ireo nanao fanambarana ireo ary telo na 4 amin’izy ireo ihany no mpitantana fikambanan’ny mpianatra marina. 

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT