Samy miandry izay ho fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina momba ny filatsahan-kofidiany na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena heverina hatao amin’ny 8 mey 2013 ny fihodinana voalohany, araka ny tetiandrom-pifidianana navoakan’ny CENIT niaraka tamin’ny Firenena Mikambana.
Nandrasana talohan’ny faran’ny taona 2012 ny hanambarany ny fanapahan-keviny io saingy raha avy nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Laurent Fabius indray izy ny tapaky ny volana desambra teo dia nilaza indray fa mila dinihina lalina ny fanapahan-kevitra ka hambarany alohan’ny 8 martsa 2013 izany. Mandrapahatonga izay dia betsaka ny feo mandeha hatramin’ny faran’ny taona no ho mankaty, anisan’izany ny mety hanesorana amin’ny toerany ny praiminisitra Beriziky Jean Omer, hanendrena miaramila eo amin’ny toerany. Voatonona amin’izany ny anaran’ny minisitry ny foloalindahy ankehitriny ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, ny filohan’ny filankevitra miaramila momba ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rabarisoa Ranto, ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, ny jeneraly Raveloharison Herilanto.
Governemanta miaramila-sivily no harafitra ary dia hiverina amin’ny fitondrana taritokana toy ny tamin’ny andron’ny HAT na FAT, ary dia hilatsaka hofidiana i Andry Rajoelina. Raha io anefa no mitranga dia re, araka ny loharanom-baovao fa olona miisa 79 no voageja ny kaontim-bolany any ivelany any. Hampiato ny fanampiany ara-bola an’i Madagasikara ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola mahazatra ary dia mizotra mankany amin’ny ady an-trano toy ny mitranga any Cote d’Ivoire sy Repoblika Demokratikan’i Congo i Madagasikara ary vao mainka hihamafy ny krizy. Ny kabarin’i Andry Rajoelina mandritra ny Asaramanitra ifampiarahaban’ny andrim-panjakana, hatao ny 09 janoary 2013, anefa no mety hamaritra ny hoavy politika eto Madagasikara.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.