Politique

Mpanolotsain'ny tanàna ao Toamasina Voazara vola, hoy i Elysée Ratsiraka


  • Zoma 07 Aprily 2017

Tia vola loatra ! Izay raha fintinina ny fahitan’ny ben’ny tanànan’i Toamasina Elysée Ratsiraka ireo mpanolotsain’ny tanàna nanongana ny tenany. Nisy nandray izany niteny tamiko, hoy izy.

 Zavatra hiainako, hoy izy, ary hita taratra ao anatin’ny fitsipika anatiny izay novolavolain’ireto mpanolotsaina ireto izany. Anisan’ny takian’ireto mpanolotsaina ireto, ohatra, ny zo fahazoan-tsolika 500.000 ariary ho an’ny mpanolotsain’ny tanàna tsotra ary 900.000 ariary isam-bolana ho an’ny filohan’izy ireo. Anisan’izany koa ny fitakiana fiara tsy mataho-dalana nefa an-tampon-tanàna no misy ny lapan’ny tanàna fa tsy any ambanivohitra be, finday sy fahana ary tsy maintsy raisina an-tanana koa, hono, ny jiro sy ranon’izy ireo. Tsy mahagaga ahy, hoy izy, raha mandalo ny trano fonenan’izy ireo aho dia mahita ny jiro mirehitra amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 7 ora maraina. 7.500.000 Ariary eo ho eo isam-bolana no lany amin’ny mpanolotsaina iray nefa 19 no isan’izy ireo.

Fampiatoana tsy ara-dalàna

 Rehefa tsy azon’izy ireo izany dia mandray fanapahan-kevitra tsy ara-dalàna toy izao izy. Tsy fantany intsony ny asany amin’ny maha mpanolotsaina fa ny mamingana indray no ataony. Andraikiny ankoatra ny manolo-tsaina amin’ny ankapobeny ny mandinika fanapahan-kevitra (texte) sy mamoaka fanapahana (deliberation) ary tokony haseho peta-drindrina ho fantatry ny rehetra. Anisany izao resaka fampiatoana ben’ny tanàna izao. Tsy ara-dalàna koa ny hoe fanapahana dia avy hatrany dia mankany amin’ny prefe fa mbola tokony handalo amin’ny ben’ny tanàna.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT