Niharihary tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba omaly nandritra ilay fivorian’ny mpanohitra ny fitondrana izay nanaovan-dry zareo avy eo anivon’ny vovonana Force de changement, tarihin’ny filohan’ny dinika ho fanavotam-pirenena (DFP),
Tolojanahary Maharavo, ny alakamisy teo fa tsy mifanara-tsaina ary samy miady ho lohan’ny hery fanoherana ireo nilaza azy ho mpanohitra teny an-toerana. An-daniny, ny mpiara-dia amin’ity filohan’ny DFP ity dia mbola nanamafy ilay tolo-kevitra fananganana governemanta iaraha-mitantana eken’ny rehetra. An-kilany kosa, ny mpiara-dia amin’ny mpanao politika, Alain Andriamiseza, dia nilaza fa tsy manaiky fiaraha-mitantana intsony. Nisy ny fisavorovoroana ara-kevitra teo amin’ny 2 tonta ary nilaza mihitsy ny filohan’ny DFP fa samy te ho lohany daholo ka manahirana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.