Politique

Mpanohana ny “ENY” Tsy mifanara-tsaina sahady ?


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Efa ho herinandro izao no nanombohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalŕmpanorenana isisihan’ny FAT hatao. Ny tsikaritra anefa dia mbola mangina ihany izany.

Ireo takelaka napetraka isaky ny Fokontany eto an-drenivohitra aza dia tsy nahitana ny afisina propagandy. Ny mpanohana ny “TSIA” moa dia efa tsy misy, ny mpanohana ny “ENY” ihany koa dia tsy nihazakazaka amin’ny fametrahana izany afisy izany hatramin’izao. Araka ny tsiliantsofina re dia mety any amin’ny herinandro faharoa any mihitsy vao mety hanamafy ny fanazavan-kevitra ny ao amin’ny komity mpanohana ny “ENY”, fa mbola mitazatazana sy mifandamina fotsiny aloha amin’izao fotoana. Re mantsy fa misy ihany koa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpanohana ny “ENY” satria toa hoe samy mihevitra azy ho mahay sy mahavita azy izy ireo, mbola mitoetra ihany koa ilay fifaninanana samy ho lohany. Efa hatry ny ela moa no nisy ny karazana ady mangatsiaka teo  amin’ireo samy mpanohana ity tetezamita ity.

Ambaran’ny maro tamin’izany fa ny antoko TGV izay mamerina ny fomba tsy nety nataon’ny teo aloha no rangory fototry ny afo amin’ny tsy fifankahazoana. Mahatezitra ny olona maro manerana ny nosy mantsy ny toetra be baiko sy manindry bokotra ataon’ireo mpitarika ny TGV. Hita taratra amin’ny fizotry ny propagandy amin’izao fotoana fa misy ny zavatra tsy milamina ho an’ny mpanohana ny ENY. Ka eo no mahalasa ny fisainana hoe : amin’ny fomba ahoana moa izany no handresen’izy ireo lahatra ny olona, raha toa ka izy samy izy aza, tsy mifanara-tsaina tsara akory ?

Fa araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy koa dia mety tsy mandany fotoana loatra intsony hanazavana hevitra ny mpanohana ny ENY satria resy lahatra izy ireo fa tsy maintsy ho lany ny ENY. Tsy misy tsinona ny mpifanandrina mivantana. Fa araka ny fanadihadiana natao dia misy amin’ireo ao anatin’izao tetezamita izao ihany koa no efa mahita fa tsy ho tanteraka io fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra io, ka dia naleon’izy ireo tsy misehoseho hampandany ny ENY, fa miandry fotsiny izay fidonany. Kajikajy politika avokoa izany rehetra izany, ary efa fanao hatramin’izay, saingy ireo mpanao politika vao misondrotra sy tsy ampy traikefa no mirobaroba sy mihazakazaka mandresy lahatra ny olona amin’ny zavatra hita fa efa hitsefotra !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT