Politique

Mpanohana an’i Andry Rajoelina Manomboka sahiran-tsaina koa


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Mba sahiran-tsaina sy manomboka very fanahy mbola velona ihany koa, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny ampahany tamin’izy ireo, ny olona tena nitolona sy nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2008-2009 ireny.

 Notsorin’izy ireo mantsy fa ireo mpikarama an’ady politika, tia tena sy tia vola no mihaodihaody manodidina ny filohan’ny FAT amin’izao fotoana ary misy mihitsy amin’ireo manampahefana no manilika tsotra izao ireo tena nitolona teny amin’ny Kianja 13 mey sy Ambohijatovo. Manahy, araka izany, izy ireo fa sao dia hanipy hoditr’akondro amin’ny filohan’ny tetezamita fotsiny ireto mpanao politika maro be milaza fa manohana azy ireto, indrindra fa ireo izay namadika palitao, izany hoe avy niara-dia tamin’ireo filoha teo aloha kanefa miditra ao anatin’ny rafitra tetezamita izao.

Araka ny nambaran’ireto solontenan’ny nitolona teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireto ihany dia ny fifidianana ihany no lalana tokana hivoahana amin’izao krizy izao ka tokony sahy hanambara mazava ny daty hanaovana ny fifidianana sy izay fifidianana tsy maintsy hotanterahana amin’ity taona ity ny filohan’ny FAT fa tsy variana mifanasa vangy amin’ny mpanao politika. Efa nanambara ny fitondrana tetezamita hatramin’ny fiandohan’ny taona 2010 , hoy izy ireo fa misy ny vola hanaovana fifidianana ka tokony ho tonga dia miroso ny dia fa tsy miandry izay hevitry ny Ankolafy 3, na ny SADC na ny Vondrona Afrikanina izany. Tonga ho azy eo ny fankatoavana iraisam-pirenena rehefa misy filoha voafidim-bahoaka eo, hoy ihany ireto mpitolona nanohana an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ireto, ka tokony ho tena sahy mitondra izany fanovana izany ny filohan’ny tetezamita fa tsy hihodinkodina an-toerana eo fotsiny.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT