Azo lazaina ho manao resaky ny moana sy ny marenina ihany amin’izao fotoana izao ny mpitondra sy ny mpanohitra ary samy toy ny manao antso an’efitra ihany.
Ny an-daniny, miha ratsy endrika andro aman’alina eo anatrehan’ny vahoaka, ny an-kilany kosa tsy ametrahan’izy ireo fitokisana intsony satria tonga amin’ilay fitenenana hoe ny tonta ihany no nivadibadika. Manoloana izay dia saika miantso fifampidinihana avokoa ireo nandinika ny raharaham-pirenena tato ho ato. Anisan’ny mbola milalalala miantso izany, efa hatramin’ny fisasahan’ny taona 2016 ka hatramin’izao, ohatra, ry zareo avy eo anivon’ny dinika fanavotam-pirenena na ny DFP. Ho azy ireo dia tsy azo antoka ho tonga mihitsy ilay famatsiam-bola 10 miliara dolara raha tsy misy ny fifampidinihan’ny fitondrana sy ny ankolafin-kery rehetra handinihana fiaraha-mitantana vaovao. Tsy dia mifanalavitra amin’izay ihany koa ny nolazain’ny mpandinika fiarahamonina, Rasolo André, ny faran’ny herinandro teo, satria dia izany, hoy izy, no miantoka ny hisian’ny fampihavanana eto. Ho an’ny mpandinika ny raharaha diplomatika, Radanoara Julien moa dia efa matimaty mihitsy ny firenena amin’izao fotoana izao ka dia aleo mifampidinika dieny tsy mbola maty tanteraka.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.